Mipatitaka samy maka ho azy ireo mpitarika sy ireo mpikambana ao amin’ny HVM. Misintaka tsikelikely amin’ny antokon'ity fitondrana ity avokoa ireo mpikambana teo aloha, indrindra ireo mpitarika nilaza ny tenany ho nafana fo.
Misamatsamaka be ihany ny mpikambana Hvm noho ny tsy fitoviam-pijery. Misy ireo miova lasy any an-toeran-kafa. Ireo ben'ny tanàna noterena nandany ireo loholona tamin ireny fotoana ireny mahatsiaro ho kivy voatery mijijy baolina irery. Voalaza fa voafitaka amin'ny fampanantenana poakaty izy ireo. Ireo sefo fokontany menatra ny holazaina fa Hvm. Tsy azo antoka intsony ny firaisankinan'ny samy mpikambana. Misy mihitsy aza ireo samy olomboafidy (depiote sy ben'ny tanàna) tsy mifakahazo). Tsy ao Tolagnaro ihany fa hatrany amin'ny distrikan'Amboasary Atsimo. Amin'ny ankapobeny maro ireo mpikambana ao aminy no menatra lazaina ho hvm. Isaky ny mivahiny any Tolagnaro ireo mpitondra fanjakana ( filoha sy PM) tsy sahy loatra mamory vahoaka an-kalamanjana fa fihaonana anaty efitra fotsiny mazàna misy.
Oth
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.