Mizara telo ny vondrona HPM ankehitriny. Ny voalohany nijanona amin’ny ankolafy Zafy Albert, ny faharoa tarihan-dRalison Roger sy Manantsoa Victor ary ny fahatelo kosa dia izay miaraka amin’i Ndremanjary Jean André, minisitry ny fanatanjahantena ankehitriny.
Ny sabotsy 03 septambra, teo am-pahatongavany an-tanindrazana avy any Maputo Mozambika no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fitsanganan’ny HPM elatra Ndremanjary ity farany. Nitarika ny fivakisana ny fampiatoan’ny birao HPM ity minisitry ny fanatanjahantena ity tsy ho mpikambana mandritra ny fotoana tsy voafetra noho ny fandraisany anjara tamin’ny fivoriana notarihan’ny Raiamandreny Mijoro izay nomarihan-dRalison Roger, mpandrindra nasionaly fa mifanohitra tamin’ny fanapahan-kevitry ny vondrona nandritra ny fivoriambe. Tahaka ny efa namantarana azy dia tamin’ny teny henjana no nanambaran’i Ndremanjary Jean André fa tsy manan-kery izany fampiatoana azy izany satria tsy teto an-toerana akory ny tenany tamin’ny fotoana nandraisana fanapahan-kevitra fampiatoana azy.
Notsindriany koa fa olona 20 monja no nikononkonona izany fa tsy ny mpikambana rehetra. Ary farany dia nambarany fa tsy mpanara-drenirano fotsiny ny tenany ao amin’ny HPM fa manana foto-kevitra ijoroana. Tsy niandry ela koa anefa ny valin-kafatry ny HPM tamin’ny alalan-dRalison Roger. Fitambarana fikambanana sy antoko politika miisa 43 ny HPM fa tsy olona akory, hoy izy. “Fikambanana roa amin’ireo ihany no nisintaka ankoatra an’i Maurel izay tsy manana antoko. Tsy manana olona akory izy ireo satria ny zanany ihany dia i Odilon Ndremanjary no ao anatiny”. Momba ny fampiatoana an’i Ndremanjary Jean André indray dia nisy ny fitanana an-tsoratra ny fivoriambe nandraisana io fanapahan-kevitra io raha ny fanazavan’ny mpandrindra nasionaly hatrany. Manana ny fanazavana momba ny nampisintaka an’i Ndremanjary Jean André koa ity farany. Nambarany fa ny fiarahana amin’ny vondron-kery 6 mihitsy no tsy ankatoaviny ary efa naverimberiny nandritra ny fivoriana izany. Ankoatra izay dia ambaran-dRalison Roger fa “misololeka“ amin’i Andry Rajoelina i Ndremanjary Jean André matoa nahazo ny toeran’ny minisitra kanefa laharana faha-6 no nisy azy tamin’ny lisitra natolotr’ity vondrona ity nandritra ny fandrafetana ny governemantan’ny firaisam-pirenena. “Ankoatra izay dia tsy mitana ny maha elanelam-panahy ny HPM ny tenany satria milaza hatrany izy fa tokony havela any ireo Ankolafy 3 ireo. Ny fisokafana sy fifampidinihana amin’ny rehetra anefa no foto-kevitra ijoroanay sy tazoninay hatramin’izao”, hoy hatrany Ralison Roger.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.