Manoloana ny toe-draharaha ankehitriny dia manamafy ny Hpm na Hery Politika Mitambatra fa tokony hanajana ny tondrozotra.
Nolazain’izy ireo fa tsy mety ny fanaovana ankilabao ireo antoko sy fikambanana samihafa nanao sonia ny tondrozotra ka raha misy fanapahan-kevitra horaisina eto amin’ny firenena dia tokony hiaraha-manapaka foana aloha. Mitaky ny fampiharana an-tsakany sy an-davany tsy misy fitongilanana izay rehetra voarakitra ao anatin’ny tondrozotra izahay satria mbola hita miharihary ny fitanilana amin’ny fanoloana ireo tompon’andraikitra ambony, hoy Robert Razaka, filohan’ny Hpm. Manameloka ny teti-dratsy kasain’ny sasany hatao entina hanakorontanana ny firenena ihany koa ny Hpm ka tsy maintsy sorohana ny endri-javatra mampalahelo toy ny nitranga farany teo izay namoizana aina mihitsy. Porofo ny tsy fandraisan’anjaran’ny mpitandro filaminana ireny izay mahatonga ny vahoaka tsy hahatoky azy ireo intsony. Nohamafisin’ny Hpm ihany koa fa malalaka amin’ny fanohanana izay kandidà heveriny fa mitovy fomba fijery sy hevitra aminy ny mpikambana rehetra eo anivon’ny Hpm.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.