Politique

Hoy Atoa Rabefananina, mpanao gazety zokiolona «Tsy misy hatak’andro, tsy misy fepetra»


  • Alatsinainy 26 Mey 2014

Tena mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Mifanontany etsy sy eroa ny mpiara-monina, ahoana ihany izy ity, hisy fiovana azo antenaina ve sa sanatria ny omaly miova ihany no hiainana eto ?

 Sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety zokiolona na Club des journalistes doyens, ny tenanay ary tsy mitsahatra fa mbola manara-maso akaiky ny toe-javatra rehetra mitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Misy toe-javatra anankiroa faran’izay goavana tianay ambara amintsika mpiray tanindrazana ary miangavy amim-panajana an’Andriamatoa Rajaonarimampianina Hery, filohan’ny Repoblika, mba hanao izay hanatanterahana azy faran’izay haingana. Voalohany, aoka hampodiana amin’izay ny filoha Ravalomanana Marc any Afrika Atsimo, ka hotanterahana tsy misy hatak’andro izany sady tsy misy fepetra. Aoka havoaka any am-ponja amin’izay ny gadra politika rehetra, ka anisan’izany ny jeneraly Raoelina sy ny kolonely Coutiti any Tsiafahy ary ny kolonely Charles any La Réunion. Ary izany dia hotanterahina tsy misy hatak’andro, tsy misy fepetra ! Faharoa, aoka hosokafana amin’izay ny haino aman-jery am-polony nakaton’ny fitondrana tetezamita teo aloha, ka anisan’ireny ny Radio Fahazavana an’ny FJKM. Ary izany koa dia hotanterahina tsy misy hatak’andro, tsy misy fepetra. Mbola takianay koa aza ny tokony hanonerana ny fitaovam-piasan’izy ireo izay nosimbaina sy nangalarina tamin’ireny fotoana ireny. Ireo anankiroa ireo tompoko ny fanehoan-kevitra ataonay amin’izao Repobika fahefatra miandry tsy ho ela ny faha-140 andro nijoroany izao. Ary dia misaotra indrindra anareo ato amin’ny gazety Tia Tanindrazana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT