Politique

Houssen Abdallah Nanao tsindrom-paingotra ireo mpitondra ao Mahajanga


  • Alatsinainy 19 Martsa 2012

Taorian’ny angaredona nanala fako ny herinandro lasa iny dia nifamotoana tao Amborovy ireo mpikambana Arema ao Mahajanga ny sabotsy 18 martsa teo nanamarika ny faha-36 taonan’ity antoko naorin’ny amiraly Ratsiraka ity.

 Nitarika ny hetsika ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina teo aloha, Houssen Abdallah, nahitana an-dRazafitsalama Gabriel. Tamin’izany no nilazan’ity farany, fa velona ary miaina ny Arema ary tsy miandry fanaovana sonia sori-dalana na toerana anatin’ny tetezamita ny fandraisana an-draikitra. Raha samy nahafoy vola natao tsipaipaika ireo olom-boatendry zanak’i Mahajanga angamba tsy ho toy izao ny loton’ny tanàna, hoy ny tenany, raha nanao tsindrom-paingotra ny mpitantana ny Kaominina sy ny Faritra.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT