Mbola raharaha mafana eto amin’ny firenena hatramin’izao ny mikasika ny fandosiran’ilay teratany Frantsay Houcine Arfa. Voizin’ny mpitondra indray amin’izao ny hoe efa in-telo nigadra tany ivelany i Houcine Arfa noho ny resaka asan-jiolahy.
Vao mainka mamato-tena ny HVM satria nandray olon-doza tao an-dapa sy niara-niasa taminy tsy nisy fanadihadiana nialoha akory. Sa kosa efa fantapantatra ihany izany, ka rehefa tsy nanaiky ny iraka maloto saika hampanaovina azy i Houcine Arfa, dia namoronana heloka nanenjehana azy fa mahalala afera ? Raha tsiahivina ny tantara dia ny 28 desambra 2017 izy no tafaporitsaka rehefa nentina namonjy toeram-pitsaboana. Ny 01 janoary no fotoana voalaza fa nahatongavany tany Frantsa, izany hoe nanana 4 andro be izao izy nitsoahana. Nambara fa mpandainga sy mpivadibadi-dela ity vazaha ity, ka mbetika nilaza fa tany Mahajanga no nandray lakana, mbetika niteny fa tany Toamasina, lazaina fa tsy mitombina ny resany. Ka rehefa tsy nandeha lakana izy izany dia mazava be fa nandeha fiaramanidina, ka nahoana no tsy voasakana na voasamboatra ? Rehefa natao ny fikaroham-baovao, dia tsy nisy akory ny didy navoaka tsy hahafahany mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na ilay antsoina hoe IST (interdiction de sortie du territoire). Azo heverina, araka izany, fa afaka nivoaka malalaka izy rehefa tsy nisy ny IST mandrara azy. Kisendrasendra ve ny tsy namoahana ilay IST sa efa kajy vita mihitsy ? Manjavozavo tanteraka a.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.