Politique

Hotsaraina indray ny raharaha BANI sy FIGN Handrava efa ny FAT


  • Zoma 02 Martsa 2012

Hiakatra fitsarana amin’ny 19 martsa ho avy izao ny raharaha BANI. Efa nahazo fampahafantarana hiatrika io fitsarana io ireo voakasika amin’izany.

 Manamboninahitra 16 lahy, mpikambana tao amin’ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena, tsiahivina ihany, no indray fahirano teny amin’ny BANI Ivato ka voasambotra ny tolakandron’ny sabotsy 20 novambra 2010. Efa nahazo fahafahana vonjimaika ny iray tamin’izy ireo, raha tsy notanan’ny fitsarana kosa ny iray hafa. Miisa 13, araka izany, ireo manamboninahitra mbola any am-ponja, ankoatra an’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, izay tsaboina atsy La Réunion hatramin’ny tapatapaky ny volana desambra 2011. Nafatratra tao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy izy ireo teo am-piandohana, avy eo nosaratsahina fonja, ka ny sasany ao Antanimora, misy ampahany mbola tazonina ao Tsiafahy ny ambiny any Antsirabe. Fantatra ihany koa fa dia hotsaraina amin’ny 23 martsa ho avy izao ny raharaha FIGN, mahavoarohirohy an-dry lietnà-kolonely Andrianjafy Raymond. Ny alakamisy 20 mey 2010 no nanaovan’ny miaramilan’ny FAT fahirano azy ireo teny Fort-Duchesne taorian’ny fifampitifirana, ka nahafatesana zandary sy sivily ary naharatrana miaramila sy sivily ihany koa. Nadoboka tany Tsiafahy ihany koa ireo voarohirohy tamin’io raharaha io.

Mipetraka ihany ny fanontaniana manoloana izany hoe mbola misy izany raharaham-pitsarana izany indray ve ? Inona no mbola ihazakazahan’ny FAT amin’izany ? Mazava anefa ny voalazan’ny andininy faha-16 sy faha-17 ao amin’ny tondrozotra, izay niarahan’ireo vondrona politika Malagasy nanaiky ka natao sonia tamin’ny 17 septambra 2011 ary nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny hampitsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana rehetra mba hisian’ny fitoniana ary koa hanajana ny fahalalana maneho hevitra. Tenierana teo anivon’ny governemantan’ny firaisam-pirenena ve izany sa tsy fantatry ny praiminisitra Beriziky toy ny efa niseho hatrizay indray koa ? Raha fantany, inona no andraikitra raisina ?

Toy izany koa ny SADC izay efa manana birao fifandraisana eto Madagasikara, inona no andraikiny manoloana izao toe-javatra izao ? Mazava mantsy ny resaka eto fa dia fanitsakitsahana ankitsirano tsotra izao ny tondrozotra ary fihantsiana ny Malagasy sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ity mbola ihazakazahana hitsarana ny raharaha BANI sy FIGN ity. Rehefa nangingina tany ilay resaka “Conseil d’enquête” dia manao ankisisika indray ny FAT amin’ity resa-pitsarana ity, raha ny mikasika ireo gadra miaramila.

Aza adinoina anefa fa ny krizy eto Madagasikara dia tsy resa-politika fotsiny ihany, fa nidiran’ny miaramila ihany koa, izay anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny martsa 2009. Fahadisoana lehibe, araka izany, ny fiheverana fa hilamina ho azy ny raharaha eto rehefa miravona ny politika ka hovitavitaina ara-pitsarana ny an’ny miaramila. Sa izay tsy hilaminana mihitsy no paikadin’ny FAT hijanonana maharitra eo amin’ny fitondrana sy hanakanana ny fiverenan’ireo Malagasy sesitany politika eto an-tanindrazana, ka ireo gadra miaramila no hatao sorona amin’izany ? Sa handrava efa tsotra izao ny FAT ?

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT