Politique

Hosoka tao Anosizato Andrefana Ny sefo fokontany no fositra hoy ireo delege


  • Talata 03 Desambra 2019

Nivondrona nanao fanambarana ireo Delegen’ny Birao fandatsaham-bato teny Anosizato Andrefana ny Sabotsy lasa teo. Maro loatra hoy izy ireo ny hosoka sy ny teritery nataon’ny Sefo fokontany teny nandritra iny fifidianana ben’ny tanàna lasa teo iny.

 

 

 

 Nampiseho kara-panondron’olona maro izay tokony hifidy izy ireo saingy tsy afaka nanatanteraka ny safidiny satria tsy hita tampoka tao anaty lisitra . Tanaty lisitra ary nifidy soamantsara anefa ireo olona ireo tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solom-bavam-bahoaka farany teo. Nitaraina ihany koa ireto Delege ireto satria ny olona avy amin’ny sefo fokontany avokoa ny ankamaroany niandraikitra ny tao anaty Birao fandatsaham-bato. Raharaham-pianakaviana satria ny vady aman-janaka, ny vinanto ny havana aman-tsakaizan’ny Sefo fokontany no niasa tanaty Birao. Izy ireo rahateo moa dia nilaza fa notendren’ny CENI ary manao teny mahery rehefa angataham-panazavana. Marihina hoy ireto Delege ireto fa tsy nandalo fivoriam-pokonolona mihitsy izany fanendrena rehetra izany fa konokonona nataon’ny Sefo fokontany sy ny ekipany manokana. 2 volana mialoha dia efa nanolotra olona ho mpikambana anatin’ny Birao fandatsaham-bato ny kandida rehetra saingy nilaza ny fokontany fa efa feno ny toerana. Ankoatr’izay dia tsikaritra ihany koa fa maro ny adiresy tsy misy eny Anosizato kanefa hita anaty lisitra ary nifidy ireo olona ireo. Misy mihitsy koa aza moa ireo olona tsy tokony hifidy eny an-toerana fa avy any Soavina sy Ankadivoribe no tonga nandatsa-bato teny an-toerana. Miantso ireo tompon’andraikitra mahefa izy ireo mba hijery akaiky ity raharaha ity ary mangataka mihitsy ny hanesorana io filoham-pokontany io mialohan’ny zavatra rehetra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT