Politique

Hosoka sy ady tany Any am-ponja i Alain Ramaroson


  • Alakamisy 04 Aogositra 2016

Nidoboka any am-ponjan’Antanimora nanomboka omaly Atoa Alain Ramaroson filohan’ny antoko Masters ary efa filoha lefitra misahana ny filaminana sy fandriampahalemana tao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).

Fanaovana hosoka noho ny resaka tany no fantatra fa vesatra iampangana azy ka nalefa haka saina eny am-ponja aloha izy mandra-piandry ny fitsarana.

Henjana ny fifandirana

Matoa moa ny fitsarana mampihatra ny “MD” amina olona iray voarohirohy dia matanjaka izay ny vesatra na ahiana hitsoaka ilay olona ka tsy maintsy tanana am-ponja vonjimaika aloha. Fifanolanana teo amin’ny samy fianakaviana ihany no nitarika izao fampidirana am-ponja an’ingahy Alain Ramaroson izao, ary araka ny fantatra dia ny rahalahiny ihany no nitory azy. Araka ny angom-baovao natao dia henjankenjana ny fifandirana anatiny teo amin’ny fianakaviana Ramaroson momba ny resaka tany. Niakatra ny feo ary  nifanao teny mahery sy vava tsy ambina. Tsy nety hita ny marimaritra iraisana ary tonga teny amin’ny fitsarana  ny raharaha. Nanapaka ny mpitsara taorian’ny fanadihadiana sy ny fihainoana ny an-daniny sy ny an-kilany fa alefa eny Antanimora i Alain Ramaroson. Tsy misy resaka politika ny raharaha, hoy ny loharanom-baovao iray nanontaniana fa tena resaka ady heloka tsotra. Na izany aza, ahiana hampipongatra raharaha maro ihany izy ity. Misimisy ihany mantsy ireo olona manana olana amin’i Alain Ramaroson. Nijoro ho miady amin’ny tsy rariny ary milaza azy fa madio sy tsy henjehin’ny eritreriny hatramin’izay i Alain Ramaroson. Ankehitriny anefa voatonontonona amina raharaha fanaovana hosoka izy ary tsy olon-kafa fa tena ny fianakaviany mihitsy izay mahalala tsara azy no nitory. Tsara homarihana fa anisan’ireo olona tonga dia naka ny fiaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana i Alain Ramaroson ary tsy mbola namerina ilay fiara 4x4 Mercedes tsy laitram-bala hatreto aloha. Misy koa ny olona velon-taraina satria tsy nety nandoa manontolo ny vola hofan’ny fiara nampiasainy ity mpikambana CST teo aloha ity. Manara-maso akaiky ity raharaha ity na ny olon-tsotra na ny mpanao gazety koa dia ho hita eo ny tohiny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT