Politique

Hoso-pifidianana sy hala-bato Hampiakatra ny raharaha ny mpanohitra


  • Zoma 10 Janoary 2020

Fangatahana ny fanafoanana ny fifidianana kaominaly natao teto Antananarivo sy fanafoanana ny vato azon’ny kandida ho ben’ny tanàna natolotry ny vondrona politika teto Antananarivo,

 

 

Naina Andriantsitohaina, raha lazaina ankapobeny no votoatin’ny fitoriana napetraky ny antoko politika Tiako I Madagasikara teo anivon’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana. Nivaly ny alarobia teo moa ny fitsarana izany. anton’ireo fangatahana ireo dia satria novaina ny lisitry ny mpifidy ka noho izany dia mila manao fampitahana satria tsy ara-dalàna io fanapahan-kevitra fanovana lisitra io, raha ny fanazavan’ny kandidan’ny TIM, Riana Randriamasinoro. Ny mpisolo toerana na “substitut” indray no nanao ny asan’ny mpitsara. Ny mpitsara mbola tokony hamoaka didy hatao ilay fampitahana saingy ny mpanolotsaina indray no efa milaza fa efa vita ilay izy. Tsy lojika izany, hoy ny fanazavana. Nanampian’ny mpisolovava ny filazana izay toe-pitsarana tsy mandeha amin’izay laoniny izay moa ny hoe ny fitsarana ireo dosie hafa rehetra dia tontosa herinandro mialoha ny fivoahan’ny didy avokoa. Ny an’Antananarivo anefa dia sady fitsarana no fivoahan’ny didy no nitranga tao anaty andro iray. Ny dikan’izay dia na inona na inona fanazavana nentina teo dia efa nanana ny heviny mialoha ny fitsarana. Nofeperana ihany koa ny fandraisam-pitenenan’ny mpitory. Nilaza ny fitsarana fa tsy nahita tsy fetezana na “anomalie” tao anatin’ireo fotoriana an-jatony napetraky ny TIM. Sahin’ny fitsarana no nilaza fa efa nahavita fampitahana izy ireo. Nilaza ny mbola hampiakatra ny raharaha moa ny mpanohitra.

J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT