Politique

Horakoraka tao amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Manazava ireo Raiamandreny ao Vatovavy Fitovinagny


  • Alakamisy 05 Janoary 2012


 Raha nitafa tamin’ny vahoakan’i Manakara teo amin’ny Kianjan’ny demokrasia ireo minisitra sy mpikambana amin’ny Kongresy (CT) ary mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) zanaky ny Faritra, ny 27 desambra 2011, dia nisy andian’olona nihorakoraka sy nanatsatso ny mpitantana voalohany ny Faritra noho ny resaka fasimainty.

Nandritra ny kabary nataon’ity mpitantana ity no nisehoan’izany. Raha nivoaka anefa ny vaovao tamina gazety iray dia nisy ny nilaza fa ireo minisitra tonga tao Manakara tamin’io andro io no lazainy fa nohorakorahin’ireo olona manohitra ny fitrandrahana fasimainty ireo. Araka izany, ny Raiamandreny avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinagny dia milaza fa tsy marina ilay vaovao. «Reharehan’ny zanak’i Vatovavy Fitovinagny ny naha voatendry azy ireo ao amin’ny fitondrana, ka tsy izahay zanaky ny faritra indray no hanakora azy ireo sady efa zokiolona ao amin’ny FIANTA rahateo ny iray amin’ireo minisitray ireo». Maro ireo nandray fitenenana kanefa fantatr’ireo andian’olona nitondra sorabaventy ny nanaovany ilay fihetsika, hoy ihany ireto Raiamandreny avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinagny ireto.

Hyace R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT