Any am-pelantanan’ny minisitry ny teti-bola, Hery Rajaonarimampianina, ny baolina momba ny fitakian’ireo mpiasan’ny fahasalamana isan-tsokajiny.
Samy miandrandra vahaolana avy aminy avokoa mantsy na ry zareo Paramed, izay nanomboka nitokona omaly ny teto Analamanga, Toliara, Ifanadiana ary Marolambo na ireo dokotera izay nanome “ultimatum”, ny fanjakana nanomboka omaly ihany koa tamin’ny alalan’ny sendikany. Resa-bola avokoa mantsy no fototr’ireo fitakiana ireo ka miankina amin-dRajaonarimampianina Hery izany ny fanapahana. Hetsika fanairana ihany aloha no nataon’ireo Paramed omaly teo amin’ny tokotanin’ny HJRA saingy raha tsy misy ny marimaritra iraisana momba ny fitakiany dia lasa faobe ny fitokonana manomboka ny alakamisy izao. Azo lazaina ho betsaka ihany ireo “infirmier” sy “sage femme” namaly ny antson’ny sendika omaly maraina raha oharina ny tamin’ny taona 2009 ary samy nanana solontena avokoa ireo tobim-pahasalamana sy sampandraharaha eto Antananarivo sy ny manodidina.
Efa nisy fiantraikany sahady tamin’ny asa teo anivon’ny hopitaly HJRA ny tsy fiasan’izy ireo satria nikatona ny sampandraharaha misahana ny fitarafana (radio) ary raha ny nambaran’i Aimé Rakotondrazafy aza dia tsy misy fandidiana azo natao koa tao an-toerana nandritra ny tontolo andro satria nanampy isa ny mpitokona ireo mpampatory marary izay Paramed. Niverina niasa omaly hariva nanomboka tamin’ny 06 ora ry zareo ary mitohy ara-dalàhna izany anio sy rahampitso. Milaza moa ity filohan’ny sendika ity fa efa misy sahady ny fandrahonana mahazo ireo Paramed tsy hanatanterahany fitokonana. “Nahazo fandraràna an-tsoratra tsy mahazo mitokona avy amin’ny Médecin Inspecteur ny namana ao Tsiroamandidy raha am-bava kosa ny ao Bealanana sy Amoron’i Mania. Mampitandrina ireo tompon’andraikitra ireo izahay satria zo sendikaly ny fitokonana”, hoy hatrany i Aimé Rakotondrazafy.
Raha tsiahivina dia ny marikarama 1200 ho an’ny “catégorie 5” no takian’ny Paramed. Mitsinjara roa kosa ny fitakian’ny dokotera dia ny fanomezan’ny fanjakana ny ambim-bola vokatry ny fiovan’ny marikamarany. Ambim-bola tsy voaray tao anatin’ny folo volana ireo nanomboka ny martsa 2010 ka hatramin’ny desambra 2010. Fitakiana faharoa dia ny famoahana ny didim-panjakana momba ireo tambikarama telo dia ny “logement”, ny “entretien” ary ny “transport”. Mitontaly 260.000 Ariary ny vola amin’ireto farany raha atambatra. Raha ny fanambaran’ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana dia nandamoaka ny fifanarahana sy fifanatonana natao tamin’ireo ambaratongam-pahefana ka manome fe-potoana hatramin’ny alakamisy izao izy ireo hanomezana valiny mahafa-po momba ireo fitakiana. “Miroso amin’ny fitokonana izahay raha tsy voahaja io fe-potoana ka mandritra ny fivoriambe tanterahana ny sabotsy no hanapahana ny fomba enti-manatanteraka ilay fitokonana”, hoy ny Dr Ndatason Frédéric, filohan’ny sendikan’ny mpitsabo. Noho ny maha mbola andro fety ny alatsinain’ny pantekôty dia ny talata aorian’ny pantekôty ny mpitsabo manerana ny Nosy no hanomboka tsy hiasa raha tsy misy ilay marimaritra iraisana. Miankina amin’ny fanjakana izany ny hampikatona na tsia ny hopitaly rehetra manomboka amin’io fotoana satria ry zareo Paramed dia efa nifanao velirano koa fa tsy misy miasa izany raha tsy azo izay takiana. Raha ny fahalalana ity fanjakana ity anefa dia tsy taitra amin’izay resaka fitokonana izany raha tsy efa alohalika ny ranom-bary. Voaporofo izany tamin’ny fitokonan’ny mpitsabo tamin’ny 2010 sy ny an’ny Sempama.
Yves R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.