Niaiky ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana omaly fa tena mandalo fahasahiranana ny firenentsika ary tena mahatsiaro mangirifiry ny vahoaka Malagasy.
Na izany aza tsy vahaolana ny fifamonoan’ny samy Malagasy tahaka ireny nitranga tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny alin’ny 26 jona lasa teo ireny ka namonoana tsy manan-tsiny roa sy naharatrana olona 91 isa. Tsy mampino ny trangan-javatra nifamonoan’ny samy Malagasy tahaka ireny izay tsy fantatra intsony na ny avy amin’ny mpanohitra no nanao azy na ny avy amin’ny mpitondra. Notsindriany fa tsy nahita tory ny tenany taorian’iny zava-nitranga iny raha tsy tamin’ny 2 ora maraina. Tonga nitondra izay voatsirambin’ny tanany sy nampahery ny fianakavian’ireo maratra tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ity filohan’ny Antenimierandoholona ity sy ny ekipany omaly maraina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.