Efa mahazatra ihanymoa eto Madagasikara izay firenen’ny eny aman-tsoratra ny sarisarin-teny any anaty kabary ofisialy, ary dia sakamalaho sy havozo ary samy manana ny hanitra ho azy tokoa ireo rehetra nifandimby nikabary tamin’ny fitondrana nifanesy teto ; indrindra moa fa rehefa amin’ny asaramanitry ny volana janoary
.Mbola tsaroan’ny Malagasy izany hoe Pastera Andriamanjato Richard izany izay efa ben’ny tanana, CSR, filohan’ny antenimierampirenena fa tena manana atokona raha io kabary io no resahana, teo koa ohatra ry Guy Rajemison Rakotomaharo, filohan’ny antenimierandoholona fony fitondrana Ravalomanana, ry Lahiniriko Jean, Rasolosoa Dolin sy ny sisa maro tsy ho voatanisa eto.Nampiseho ny maha mpikabary azy ihany koa omaly teny Iavoloha nyfilohan’ny antenimierandoholona Honoré Rakotomanana, ary ny tena tsaroana tamin’ny nambarany dia ny hoe :tokony atsangana ilay fitsarana ambony hitsara ny mpitondra fanjakana satria hoy izy :tsy misy ambonin’ny lalàna eto fa mitovy daholo na ny mpitondra na ny ho entina.Tena ilaintsika ny fanajana sy fampanajana ny lalana hoy ny filohan’ny antenimierandoholona satria lakile manafaingana ny fivoahan’ny famatsiam-bola io.Asa moa na naare sy nahatakatra tsara io kabary io ny mpitondra fanjakana na tsia fa dia ho hita eo ny ho tohiny eee.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.