Efa talohan’ny fipoahan’ny raharaha Claudine Razaimamonjy no nandeha ny resaka fa misy ny fikasana hanalana ny filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny, Honoré Rakotomanana, amin’ny toerany ka ny lefiny izay misolotena an’i Fianarantsoa,
Riana Andriamandavy VII no nokasaina handimby azy tamin’izany fotoana. Noho ny ny raharaha A&C anefa dia somary nangingina indray ny resaka. Tsy mbola atokisan’ny antoko HVM hatrany anefa ity filohan’ny Antenimierandoholona ity raha ny fihetsika politikan’ny avy eo anivon’ny karavato manga hatreto. Nipoitra indray tato ho ato ny fikitihana ny lalàmpanorenana, ary nanatsidika izany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana. Nahagaga ihany koa ny nahitana an’ingahy praiminisitra nandritry ny fotoana nanamafisan’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ny fangatahan’izy ireo ny filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena ny filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, teny amin’ny foiben’izy ireo etsy Antanimena ny talata teo. Raha hirotsaka hofidiana ny filoha am-perinasa dia tsy maintsy hametra-pialana enimpolo andro mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasany, araka ny voalazan’ny andininy faha-46 ao amin’ny lalampanorenana. Mandritra izay fe-potoana izay dia ny filohan’ny Antenimierandoholona no misahana ny fampandehanan-draharaha. Raha hirotsaka hofidiana ihany koa ny filohan’ny Antenimierandoholona dia ny fiaraha-mitantana eo anivon’ny governemanta no misahana ny fampandehanana ny raharaham-pirenena. Mety tsy azon’ny HVM antoka ny zavatra hitranga mandritra ny enimpolo andro hitantanan’i Honoré Rakotomanana ny firenena, matoa misy eritreritra ny hikitihana an’io lalàmpanorenana io. Na koa te handrirotra ny fe-potoana hitondrany ny HVM satria ny tsapakevitra rehetra mivoaka amin’izao na tambajotran-tserasera na ny re amin’ny antson’ny mpihaino amin’ny radio na televiziona samihafa dia mihena dia mihena ny fitiavan’ny olona izao fitondrana Hery Rajaonarimampianina izao, izay midika fa kely ny herizika mbola hahavoafidy an’ity farany indray na dia atosiky ny HVM mafy ho kandida aza ny tenany amin’ny 2018.
Hohamafisina ny fahefam-pitsarana
Nanaitra sy nampametra-panontaniana ireo mpanao politika ihany ny naheno fa mbola hokitihana ny lalàmpanorenana amin’izao herintaona tsy ahatongavan’ny fifidianana izao. Anisan’ireo naneho ny heviny i Pasitera Mailhol, izay kandidà ihany koa amin’ny taona 2018. “ Aza ilay mikasika ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena roa volana mialoha ny fifidianana ao amin’ny andininy faha-47 no kitihana fa ilay famelana ny fitsarana hahaleotena amin’ny asany hamafisina”, hoy izy. Nanamafy izay filazana izay ihany koa ny mpanao politika sady mpitondra tenin’ny antoko Leader Fanilo, elatra Rabesa Zafera Antoine, Randrianambinina Alphonse, fa ny fisarahan’ny fahefana mpanao lalàna sy fitsarana ary mpanatanteraka no tokony hatao laharam-pahamehana fanamafisana azy.
J. Mirija
Alexandre Marie Georget, Filohan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara
“Io fanovana lalàmpanorenana io foana no niteraka korontana teto Madagasikara. Fanaon'ny mpitondra hiarovany tena ny fanaovana izany sy hanaovany izay mahamety azy ka tsy ekena”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.