Politique

Honoré Rakotomanana Poizina ho an’ny filoham-pirenena


  • Zoma 12 Febroary 2016

Na dia eo aza ny filazan’ny sokajin’olona maro fa mendrika tokoa ny ho filohan’ny antenimierandoholona ny profesora Honoré

 

Rakotomanana, dia misy ihany ny mihevitra fa fahadisoan-kevitra ara-politika goavana no nataon’ny HVM nametraka azy amin’io toerana io.

Mahay milomano

Olon’ny amiraly Ratsiraka tany am-boalohany i Honoré Rakotomanana, efa filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) izy mialoha ny krizy tamin’ny 1991, ary mpitsara Malagasy nalefa handrafitra ny fitsarana iraisam-pirenena momba ny vono olona tany Rwanda tamin’ny 1995. Naverina taty Madagasikara anefa izy satria tsy nahavita araka ny tokony ho izy ny asany. Ny taona 2001 kosa izy dia lasa filohan’ny antenimierandoholona, ary izy no namindra toerana io andrim-panjakana io tany Mahajanga rehefa nanomboka nafampana ny fifandirana teo amin’i Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana. Mbola anisan’ireo loholona ihany i Honoré Rakotomanana nandritra ny fitondrana Ravalomanana, ary izy dia anisan’ny nanampy ity filoha teo aloha ity tamin’ny fanitsiana ny andalana sasantsasany tao amin’ny lalàmpanorenana tamin’ny 2007. Mpanolotsaina teny amin’ny fiadidiana ny praiminisitra ny tenany mialoha ny nanendren’ny filoha Rajaonarimampinina azy ho loholona ary dia kandida tokana ho filoha natolotry ny HVM ka lany hitantana ity andrim-panjakana ity. Mpahay lalàna ary mahay politika i Honoré Rakotomanana satria nahay nilomano tamin’izay fitondrana rehetra nifandimby teto tato anatin’ny 26 taona. Maro no mihevitra fa tena mety ho poizina ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ity filohan’ny antenimierandoholona ity izay laharana faharoa eto amin’ny firenena amin’ny resaka fahefana. Izany hoe raha misy ny tsy fahafahan’ny filoha manao ny asany na fametraham-pialany noho ny antony samihafa dia ny profesora Honoré Rakotoamanana no lasa filoham-pirenena. Efa fantatra ihany anefa fa hatreto aloha dia tsy misy fitoniana ara-politika eto Gasikara ary maro be ny tranga mety hiseho.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT