Politique

Honoré Rakotomanana Notrongisin’ny HVM


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Niseho ny efa nampoizina amin’ny kajikajin’ny fanjakana HVM nanalana an’i Honoré Rakotomanana sy ny nametrahana an’i Rivo Rakotovao ho filohan’ny antenimierandoholona.

 

 Efa resabe teto amin’ny firenena tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izy ity, ary efa fantatra hatry ny ela fa ny fisehony fotsiny sisa no nandrasana, satria raha ny teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia efa ny 4 oktobra 2017 teo no efa namoahana ny vaovao fa hapetraka ho filohan’io andrim-panjakana io i Rivo Rakotovao. Tanjona ny hifikiran’ny fanjakana HVM amin’ny fitondrana, ka kajiana mafy ny mikasika ilay fametraham-pialan’ny filoha 30 na 60 andro mialoha ny fifidianana raha mbola hirotsaka, araka ny voafaritry ny andalana faha-46 ao anatin’ny lalàmpanorenana. Eo ihany koa ny hanomezana tombony ny kandidan’ny HVM amin’ny fifidianana, ka olona tena atokisana no hapetraka hisolo ny filoha.

Nanaja tena sa noterena hiala i Honoré Rakotomanana ?

Na tsy nambara mivantana aza dia fantatra fa noterena an-kolaka hiala na tonga dia nanaja tena i Honoré Rakotomanana satria fantany ny hahazo azy, saingy niezaka ny ho tony sy tsy nitady romoromo ny tenany. Karazan’ny olona tsy nanaiky hatao saribakoly ihany koa. Mazava ihany koa ny tahotr’i Hery Rajaonarimampianina ny ho voaongana tampoka mandritra ny firotsahany hofidiana, ka tsy maintsy mampiasa fahefam-panjakana. “Tao anatin’ny 2 andro aho izao dia sakodiavatra, sanganehana. Raha ohatra ka mijery ny lalàmpanorenana, lalàna fehizoro, dia tsy misy mihitsy ao anatin’ireo rijan-teny ireo  hoe “demission” na fialana, dia hoy aho hoe inona izany no hataoko ? ”, hoy izy. Raha ohatra jerena ny andinin-dalàna dia misy ny “vote secret” na “vote de confiance”, fifidianana ao anatin’ny tsiambaratelo hahafahana mamantatra mbola fitokisana na tsia azy, izay efa mazava ny valiny raha ny zava-nisy no nojerena. Toa ny azy no nataony tonga aloha manoloana ny fanonganana mivantana amin’ny alalan’io fifidianana io. “Hitsahatra ny amin’ny asa amin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona ahy am-pahendrena sy am-panetren-tena aho”, hoy izy. Antony ny fitandroana ny fihavanana sy ny firaisankina, ho fanomezan-kasina ny vahoaka Malagasy iray manontolo, ho fitandroana ny tombontsoa ambonin’ny firenena …  Tamin’ny  saina tony, am-pananetren-tena feno fahendrena, rehefa avy nivavaka aho ary namadika baiboly nandritra ny 3  na 4 andro  amin’ny voambolana hampiasaina momba ity fialana ity satria isika fanjakana tan-dalàna ka raha mampiasa voambolana tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana dia holazain’ny olona hoe fanjakana tsy tan-dalàna izany ireo, kanefa ny ahy dia tandroviko ny fihavanana sy ny lalàmpanorenana ary indrindra ny fitokisana ahy, hoy izy. Izay izany no nisafidianana ilay hoe : “hitsahatra” fa tsy “niala” na “naongana”. Tsara ny manamarika fa efa filohan’ny Antenimieram-pirenena i Honoré Rakotomanana ny 1982-1991, “procureur adjoint” tany amin’ny tribonaly Iraisam-pirenena tany Rwanda ny taona 1995, saingy noterena nametra-pialana, filohan’ny antenimierandoholona avy amin’ny atoko AREMA ny taona 2001, ary tafaverina teo amin’io toerana io nanomboka ny 9 febroary 2017, ary izao niala izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT