Tonga nitsidika ny filohan'ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana, teny amin’ny Lapan’Anosikely omaly zoma, Atoa Victor Shale « Consultant en Gouvernance et Eléction » eo anivon'ny Vondrona
SADC amin'izao fandalovany eto Madagasikara izao. Nanadihady ny vokatry ny asan'ny SADC eto amitsika nonomboka ny taona 2013 tamin'ny fametrahana ny repoblika faha-4 nandritra ny fifidianana Filohan'ny Repoblika sy solombavambahoaka ary ny fitohizan'ny fiaraha-miasa Madagasikara sy vondrona SADC Andriamatoa Victor Shale. Ho an’ny filohan’ny antenimierandoholona dia nahomby sady tsara ny fiaraha-miasa, porofon'izany ny fitsanganan'ireo Andrimpanjakana rehetra misy eto amin'ny firenena. Isaky ny miova ny mpitarika eo anivon'ny SADC hoy izy, dia tsikaritra fa misy fiovana eo amin' ny fomba fiasa. Ny Demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna no fototra ijoroan'ny Repoblika faha-4 ary ny fifidianana marina no fomba voalohany azo handrefesana ny fampiharana ny demokrasia, hoy hatrany ny Filoha. Nangataka ny fitohizan'ny fiaraha-miasa amin'ny vondrona SADC sy ny mba hanatsarana izany ny filohan'ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana, indrindra amin' ireo fifidianana ho avy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.