Politique

Honoré Rakotomanana Nihaona tamin’ i Dr Dimitri SANGA


  • Alarobia 02 Martsa 2016

Hotohizana ny fanavaozana ny firaketana ny Sora-piankohonana Malagasy efa novinavinaina natao tamin’ny 2002 saingy niato tamin’io taona io ihany noho ny zava-nisy teto amin’ny Firenena.

 

 Fantatra io raha avy nandray ny delegasiona avy amin’ny Firenena Mikambana avy amin’ny « Groupe  Régional d’enregistrement des faits d’état civil et des statistiques (APAI-CRVS)» aty amin’ny Faritra  Afrika Andrefana izay  notarihin’ny Filohany Docteur Dimitri SANGA tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anosikely ny filohan’ny Antenimierandoholona Malagasy, ny Pr Rakotomanana Honoré omaly talata 01 martsa 2016. Amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra ity andrim-panjakana ity no nahafahany nandray ireo vahiny. Zo fototra  ananan’ny olombelona ny firaketana ny sora-piankohonana, hoy  ny filohan’ny Antenimierandoholona Malagasy, hatrany am-pahaterahana ka hatrany am-pahafatesana. Efa niandraikitra ny tetikasa niarahana tamin’ny    SCAC ny tenako, hoy izy,  tamin’izany ka vonona ny hanolotra ireo antontan-taratasy rehetra eo  am-pelatanako raha ilaina, hanohizana ny asa. Natao hanamorana ny fanisam-bahoaka eto amintsika ity fandraketana sora-piankohonana ity. Rehefa voasoratra anatin’ ny fanisam-bahoaka dia izay no ahafantarana marina ny tena isan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Arahabaina izao fiaraha-miombon’antoka  hataon’ny Firenena Mikambana izao hanohizana ny asa na dia karazana dinika savaranonando ihany no nataon’ity delegasiona avy any ivelany ity teto fa ny fivoriana hatao amin’ny herinandrao ho avy izao eny amin’ny minisiteran’ny atitany no hamaritana ny tena ho fandehan’ny raharaha amin’ny ankapobeny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT