« Ireny nojerem-potsiny ireny ny raharaha nanenjehana sy nivoahan’ny didy fampisamborana loholona iray nihoa-pefy, nefa tsy nandraisan’ny filohan’ny antenierandoholona teo aloha fepetra mifanaraka amin’izany mihitsy ».
Anisan’ny nambaran’ny fanjakana tao anatin’ny fandaharana « fotoam-bita » io fa anton’ny nanonganana an-kolaka ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha Honoré Rakotomanana. Ny resaka didy fampisamborana ny loholona Lylison no tian-kambara eto na tsy novantanina aza, izay nijoroan’i Honoré Rakotomanana ho tsy miandany satria fantany tsara ny lalàna sy fenitra mikasika ny olom-boafidy, ary tsy hatoro voanjo hadiana amin’ny resaka lalàna izy, ka tsy nanaiky hatao fitaovana. Ankoatra ny efa kajy politika iaraha-mahita, dia tsy levon’ny vavonin’ny HVM mihitsy ny tsy nandraisan’i Honoré Rakotomanana andraikitra toy ny fanasaziana sy fandroahana ny loholona Lylison. Io andrim-panjakana io, amin’ny maha lapan’ireo loholona azy, no arofanina amin’ny fihoaram-pefy samihafa, hoy hatrany ny voasoratra ao anatin’ny fotoam-bita. Tsy hay na mbola hotazonina ho loholona ihany ny tenany na mety hoesorina tanteraka satria tsikaritra ho efa tena habaribarin’ny HVM ny fanakianana azy. Manao mpitari-bato vilam-bava anefa ny fanjakana HVM, ka hafa ny tondroin’ny molotra, ary hafa ny ataon’ny tanana raha dinihina amin’ny raharaha Riana Andriamandavy VII. Te hampibaribary fa mampanaja ny lalàna ary sarotiny amin’ny fihoaram-pefy, kanefa notazanim-potsiny ny fandikan-dalàna nataona loholona mpitarika « gros bras » hitoraka tranom-panjakana niaro olona voarohirohy tamina kolikoly. Raha tena misaina sy sahy ary manana ny hambony ny fanjakana HVM, dia namoaka fanambarana ampahibemaso fa tsy meloka ramatoa Claudine Razaimamonjy. Nambara taorian’izay fa ara-drariny ny fitakiana sy fitondrana andian’olona ary ny fanakanan’io loholona io ny mpitsara tsy hanao ny asany raha nanamarina ny maha teny amin’ny hopitaly an’i Claudine Razaimamonjy. Raha tena mampanjaka ny tany tan-dalàna tokoa, dia efa ela no nohelohina i Riana Andriamandavy VII ary nandeha araka ny tokony ho izy ny raharaha nanenjehan’ny fitsarana azy, fa tsy ny vahoaka no fahanan-dalitra amin’ny hoe aro-fanina amin’ny fihoaram-pefy ny loholona. Tsy hay aloha na hiroso amin’ny fanamelohana sy fanasaziana an’i Riana Andriamandavy VII amin’izay, ka dia azo lazaina ho mitombina ny fanambarana natao, fa raha tsy izay dia vao mainka fahafaham-baraka no hobabena, raha toa fanadiovan-tena manoloana ny kajy politika maloto no natao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.