Ankoatra ny lanonam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana voalohany amin’ity taona ity dia nomarihana omaly teny Anosikely ihany koa ny faha-15 taona nitsanganan’ny lapan’ny Antenimierandoholona
. Ny 1 mey 2001 tokoa mantsy no notokanan’ny filoha tamin’izany fotoana ny amiraly Didier Ratsiraka sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Marc Ravalomanana. Ny Pr Honoré Rakotomanana moa no filoha, voalohany nitarika ity andrimpanjakana ity tao amin’ny toeram-piasana vaovao Anosikely. I Gabriel Rajaonson kosa no filohan’ny antenimierandoholona voalohany nijoro teto Madagasikara tamin’ny 1959. Hafatr’i Honoré Rakotomanana omaly nandritra ny kabariny ny hoe : « Aleo ry zareo hiasa, fa raha tsy ampy telo volana ny nijoroan’ny governemanta, herim-po very maina ny fanakianana bontolo. Azo atao ny manohitra, azo atao ny manakiana, fa aoka mba ho fanakianana manangana fa tsy fanakianana mandrava ». Miantso ny vahoaka Malagasy aho, hoy izy mba tsy hanaiky ho mpanonofy lava ka mety hohadalain’ny mpanao politika amin’ny resaka atsy sy aroa. Mazava tsara koa ny hafatry ny filohan’ny antenimierandoholona ho an’ireo mpitondra fanjakana tsy an-kanavaka, hoy indrindra izy : « tsy maintsy manao ny tamberin’andraikitra takim-bahoaka (redevabilité sociale) ianareo. Tsy maintsy manatanteraka izany amin’ny vahoaka ny Mpitondra rehetra raha mbola mitana ny andraikiny sy ny maha Mpitondra azy, raha tsy izany, aleo tsy mijoro ho mpitarika.Nasiany teny ihany koa ny firongatry ny asan-jiolahy an-drenivohitra sy ambanivohitra, tsy mahazo miala tsiny fa mila mandray andraikitra ny tompon’andraikitra hoy izy. Mila tana-maro, mila saina maro, mila fiaraha-mientana sy
fifamenoana ny fampandrosoana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.