Politique

Honoré Rakotomanana “Mila ahitsy ny Lalŕmpanorenana”


  • Alarobia 10 Febroary 2016

Niverina amin’ny fitarihana ny Antenimierandoholona indray ny profesora Honoré Rakotomanana rehefa nitantana io andrim-panjakana io ny voalohan’ny volana mey 2001 hatramin’ny jolay 2002.

 

Kandida tokana natolotry ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara eo amin’io toerana io izy nandritra ny fivoriana manokana hifidianana ny birao maharitra miaraka amin’ny fitsipika anatiny nanomboka omaly teny amin’ny Lapan’Anosikely. Loholona 60 amin’ireo 62 tonga nivory no nandany ity efa filohan’ny Senatera 14 taona lasa ho mpanolotsaina ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fahefana mpanatanteraka ity. Antenimiera manjaka vahoaka ny «Sénat», izany hoe andrimpanjakan’ny demokrasia parlemantera sy fampifandanjam-pahefana. «Mitaky vokatra mivaingana amintsika loholon’i Madagasikara ny fampandrosoam-paritra izay tokony ho hita soritra amin’ny toetsaina sy fomba fiasa ao anatin’ny mangarahara», hoy ny filoha fahavalon’ny Antenimierandoholona. Misy ireo andininy mifanohitra ao amin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV ilana fanitsiana. Manampahefana afaka mitondra fanitsiana azy io moa na ny filoham-pirenena na ireo parlemantera, araka ny fanazavany.Noho io fanambarana nataony omaly io no afaka ilazana avy hatrany fa tsy tongatonga ho azy ny naha filohan’ny antenimierandoholona an’i Honoré Rakotomanana fa ao raha. Tombanana fa manam-pikasana hanitsy na hanova mihitsy aza ny lalàmpanorenana ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka naka ny olona havanana sy manana traikefa amin’izany, no sady mahalala amin’ny antsipirihany ny lalàmpanorenana rehetra nisy teto, tsy iza io fa ny profesora Honoré Rakotomanana.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT