Notoloran’ny filohan’ny antenimierandoholona Rakotomanana Honoré baolina miisa 25, tetsy Anosikely ny alatsinainy 30 oktobra 2017, ny fikambanan’ny tanora mpanao Rugby avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra, notarihan’ny filohany Rakotondrafara Heriniaina.
Nambaran-dRakotomanana Honoré fa ny fanatanterahana ny fanatanjahantena iombonana na « Sport collectif » toy izao dia mampitombo ny fifankatiavana sy maneho firaisankina ary manome fahasalamana sy tanjaka. Maniry ny filohan’ny loholona mba hitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara ireto tanora amin’ny sehatry ny baolina lavalava Malagasy ireto. Maniry izy ireo ny hanatrehan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny lalao famaranana amin’ny 24 desambra 2017, amin’ny fifaninanana karakarain’izy ireo, sady handakany ny baolina voalohany ho fanokafana ny fotoam-pilalaovana amin’io fotoana io. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Rugby fa vonona ny hiara-kiasa sy hifanome tanana mandrakariva amin’ny Antenimierandoholona izy ireo, ary nirary ho ela fanapahana amin’ny andraikitra tanterahiny. Somary nanaitra ilay hoe maniry hahaela fanapahana ny filohan’ny Antenimierandoholona amin’ny andraikiny. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra mantsy amin’izao io filohana andrim-panjakana io manoloana ny mety hanoloan’ny HVM azy an’i Rivo Rakotovao. Toa efa hafatra sy don-tandroka ataon’ny mpiangaly ny taranja Rugby eto Antananarivo miantefa any amin’ny fanjakana HVM izany fa tsy tokony hokitikitihina amin’ny toerany i Honoré Rakotomanana. Efa vonona ny tsy hanaiky lembenana amin’ny tosi-bohon-tanana ve ny tenany, ka manangona vondron-kery haneho sy hanambara fa izy ihany aloha no mahazaka sy mendrika ho filohan’io andrim-panjakana io ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.