Politique

Honoré Rakotomanana Efa mitanisa tantara sisa


  • Alarobia 18 Oktobra 2017

Na malaza aza ny resaka mivoaka fa hoesorina tsy ho filohan’ny antenimierandoholona i Honoré Rakotomanana, dia fandokadokafana ny fitondram-panjakana HVM no tena nivoitra tao anatin’ny kabariny nandritra lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoa omaly.

Nahavita fotodrafitrasa be dia be ny fanjakana. Tsy azo hanina ireny saingy hisy vokany afaka fotoana fohy, hoy izy. Notanisainy ihany koa ny asa nataony sy ny andrim-panjakana tarihiny ka nilazany fa tsy nitandro hasarana izy ireo na teto Madagasikara na tany ivelany. Napetraka ny hoe andrim-panjakana manakaiky vahoaka, ka nisy ny fidinana maro be hatrany ambany ravinkazo. Mikasika ny dian’ny filoha na ny olona ambony mankany ivelany matetika, dia mampahafantatra an’i Madagasikara ireny raha ny fanehoan-keviny. Nandritra io fotoana io no nitsofany rano ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) vao lany, dia i Maka Alphonse. Notsindriany fa ny fihavanana no zava-dehibe. Tsy adinony ny nankasitraka ny mpanao gazety amin’ny fitsinjovana ny olom-pirenena amin’ny fampahalalam-baovao. Nanome toromarika anefa izy fa misy fetra ny fahalalahana. Toa nampahatsiahy ny zava-drehetra vitany tao amin’ity andrim-panjakana ity i Honoré Rakotomanana. Efa mandeha ny resaka fa hoesorina amin’ny toerany ity mpahay lalàna ikoizana ity. Mety tsy ho sarotra io fanesorana azy io, fa alefa fotsiny ny fifidianana momba ny fahatokisana na tsia ny birao maharitry ny antenimierandoholona (vote de confiance ), dia tapitra hatreo ny maha filohana andrim-panjakana azy. Ny 2/3 no mandany ny fitsipahana. Raha misy iray mametra-pialana ihany koa ao anaty birao maharitra dia hiverenana fidiana avokoa ny birao. Maro ny fanehoan-kevitra politika amin’izao fa tsara kokoa ho an’i Honoré Rakotomanana ny mametra-pialana sy manaja tena, mba tsy ho tratry ny hoe naongana. Vita izany ny nilana azy dia atsipitsipy toy ny vato natsindry hahazana ?

Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT