Mpanao politika 2 sy 3 tahaka an’i Voninahitsy Jean Eugène, Lanto Rakotomavo sy Pierre Andrianantenaina no nihazakazaka niteny sy niaro ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita nanakatona ny seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara ny sabotsy 21 janoary lasa teo.
Nanampy azy ireo ny minisitry ny serasera Harry Laurent Rahajason. Efa nanomboka nilamindamina ny raharaha ary tonga ny fiantsoana tampoka ho any Pretoria vao nibosesika naneho hevitra ireo mpanao politika sasany. Maro no mahita sy mahatsapa ao anatian’izany rehetra izany fa tena manomboka miala bala ary tsy vonona ny hiaro an-dRajoelina hatramin’ny farany intsony ireo mpanao politika niara-dia taminy tamin’ny 2009. Totoafo ny fanehoan-kevitra ny amin’ny tsy maha mety ny hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana aloha. Rehefa fantatra tokoa fa tafiditra tao anaty fiaramanidina izy ary hitodi-doha marina ho eny Ivato, dia tsy hita tabilao ireo nanao tsianjery ny tsy mahamety ny fahatongavany, fa dia nangina, nanao «silence radio», hoy ny teknisianina. Nahoana no tonga amin’izany ny zava-misy ? Fa inona no tsy metimety any ambadimbadika any ?
Tsy nankasitraka ny fanapahan-kevitra samirerin’ny filohan’ny tetezamita hamoaka NOTAM ve ireto mpanao politika ireto, sa efa mahita sy mahatsapa fa manomboka mitongilana any amin’ny ankolafy hafa ny mizana, ka aleo mitandrina ihany aloha, mangina tsy miteny, satria tsy fantatra izay hitranga ary tsy mbola hay izay hivoaka ho mpandresy. Ho an’ny mpandinika ny raharaha politika sy ny fiainam-pirenena dia mahatakatra tsara fa efa fambara ratsy ho an’ny filohan’ny tetezamita ireny satria azo hanaporofoana fa rehefa tonga tokoa ny andro sarotra, dia izy rery no miady eo.
Efa ho 300 mianadahy ireo olona ao amin’ny CT sy ny CST no azo atao hoe ankolafy Rajoelina, noho izy ireo mitovy fomba fijery amin’ny filohan’ny tetezamita, ary tafiditra tany anaty rafitra tamin’ny alalan’ny fifampiresahana tamin’ireo mpanao politika ngezalahy manodidina an’i Andry Rajoelina, koa nahoana no olona 2 sy 3 no sahy mijoro miaro ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny tetezamita ? Tsaroana eto avy hatrany ny zava-nisy tamin’ny fiandohan’ny taona 2009, rehefa niha nafana ny tontolo politika dia maro tamin’ireo minisitra tao anatin’ny governemanta Charles Rabemananjara no nangina sy tsy naharenesam-peo, nisy mihitsy aza no niafina sy niondrana tany ivelany. Nihozongozona ny fitondrana Ravalomanana, tamin’izany fotoana, ary tompon’andraiki-panjakana vitsy sisa no niaraka tamin’i Marc Ravalomanana teny Iavoloha, izay tsy nahitana afa-tsy minisitra 2. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : efa mahatsapa ve ireo mpandeha sasany fa miha mahery ny ranomasina, mety ho rendrika atsy aloha kely atsy ny sambo, ka aleo aloha tonga dia miala tao mandray lakana kely, dia mijery sambo hafa mtanjaka ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.