Ho fantatra amin’ity herinandro ity, amin’ny alakamisy ho avy izao raha ny marina kokoa ny isan’ny ministera sy ny anaran’ireo minisitra handrafitra ny governemanta Beriziky.
Tsy nisy mihitsy hatramin’izao ny resaka nivoaka momba ny mety ho endrik’izany governemanta izany. Izy mirahalahy mianaka ihany dia ny filohan’ny FAT sy Atoa praiminisitra no mahalala ny tena marina. Ety ivelany kosa dia samy mbola manamafy ireo vondrona politika fa tsy maintsy atao zara mira ny toerana. Samy manana ny fandikany ny zara mira anefa ny tsirairay avy. Ny an-dry zareo mpanohitra izao dia hoe : 50%-n’ny toerana no halainy, ary ny 50% ambiny kosa an’ireo vondrona politika rehetra tsy mpanohitra, izany hoe manohana an’i Andry Rajoelina. Tsy maharesy lahatra ireo vondrona politika hafa io fomba fizarana io, satria ambaran’izy ireo fa tsy voatery ho manohana ny FAT avokoa akory izay tsy miaraka amin’ny Ankolafy 3. Noho izany dia zaraina mitovy araka ny isan’ireo nanasonia ny sori-dalana raha ny fahitan’izy ireo azy ny toerana ao anatin’ny governemanta. Mety ho hita ve ny marimaritra iraisana amin’izany fitakiana roa samihafa izany ? Sa hiteraka savorovoro kely tahaka ny nitranga mialoha sy taorian’ny nanendrena an’i Omer Beriziky indray ity raharaha ity.
Tsaroana mantsy tamin’iny 28 oktobra 2011 iny fa efa nafampana ihany ny maripana ny hariva teny amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina raha samy te hihaona tamin’Atoa Marius Fransman ireo mpanao politika sy olona hafa, ka nampifamaly ny masoivoho Frantsay Jean Marc Châtaigner sy ny lehiben’ny delegasiona Ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo, ary raha ny filazan’ny nanatri-maso moa dia saika niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy io fifamaliana tamin’izy mirahalahy io. Teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha indray dia ora 3 mahery no efa niandry tao amin’ny efitrano lehibe tokony hanaovana ny lanonana ireo vahiny nasaina satria mbola nitohy hatreny ny adihevitra. Dia iny niaraha-nahita iny fa nivoaka ny efitrano ny Ankolafy Ravalomanana satria tsy nankasitraka ny fomba nanendrena an’Atoa Omer Beriziky.
Tsy vita teo fa dia mbola nitohy ny savorovoro sy ny adihevitra, tonga hatrany Afrika Atsimo mihitsy, nifandrirarira teny, izay vao nanatitra ny lisitra avy any aminy ny mpanohitra, ary mbola misy ihany aza ny mampifanolana. Politika moa no atao, ary mety fomban-javatra ihany angamba ireny, saingy tsy tokony ho hadinon’ny mpitondra sy ny mpanao politika fa miha sahirana isan’andro ny vahoaka, mitombo ny halatra sy ny vono olona, lasa efa lamaody izao ny tsindron’antsy ary efa lafo ny sigara ka miroborobo ny fifohana rongony isam-pokontany. Tena miantraika isam-batan’olona ny krizy ka mila vahaolana haingana, samy mba te hanao fetin’ny krismasy sy faran’ny taona milamina ny rehetra ary ny faniriana dia mba hiaraka hitantana marina amin’izay fa tsy hisy intsony ny manohitra sy ny toherina. Tena tsy mora ilay hoe mandefitra fa rehefa izay no ilain’ny firenena dia tokony hanetry tena ho amin’izany ny tsirairay avy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.