Politique

Ho avy Ravalomanana Misy NOTAM hafahafa indray


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Antomotra ny datin’ny 29 febroary, daty voatondron’ny Troika ary nifanarahan’ireo solontena Malagasy tany Pretoria fa hahavitan’ny lalàna momba ny famotsoran-keloka hisian’ny fitoniana eto.

 Daty ihany koa izay tokony hiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana. Efa in-telo amin’izao manko izao no nanambara tamim-pomba ofisialy ny fiverenany an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana saingy ny roa voalohany dia voasakana hatrany. Ny 19 febroary 2011, ohatra dia efa tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesbourg, Afrika Atsimo, izy no nilatsaka tampoka ny NOTAM mandrara ny fiaramanidina hitondra azy tsy hiantsona eny amin’ny seranan’Ivato. Tamin’ny 21 janoary 2012 lasa teo indray dia efa teny amin’ny habakabak’i Madagasikara ny fiaramanidin’ny Air Links nitondra azy no nihazakazahana nakatona avokoa ireo seranam-piaramanidina lehibe eto Madagasikara, tsy nahafahana nipetraka. Taorian’io dia nampanantsoin’ny Troika-SADC tany Pretoria ireo rehetra voakasika.

Tany no namantarana fa mila mody ny filoha Ravalomanana ary tokony ho vita mialoha ny 29 febroary 2012 izany. Raha ny zava-misy anefa dia toa tadiavina sakanana indray izay fahatongavan-dRavalomanana izay na dia nilaza ampahibemao aza Ratsirahonana Norbert Lala, mpanolotsaina manokan’i Andry Rajoleina, fa tsy hamoaka NOTAM mahakasika olona intsony. Mbola niverina anefa moa izany, saingy namboamboarina, tamin’ny 4 febroary 2012 fotoana tokony ho niverenan-dRtoa Ravalomanana an-tanindrazana. Ankehitriny indray dia misy karazana NOTAM hafahafa mivoaka eo anivon’ny tranonkalan’ny ASECNA amin’io datin’ny 29 febroary. Araka ny fanazavana dia hoe hisy mpilatsaka elon’aina amin’ny toerana manodidina an’Antananarivo ka hilatsaka amin’io andro io izy ireo. Dia samy velom-panontaniana ny rehetra raha toa ka fifanandrinfian-javatra sa fanakanana an-dRavalo tsy hody indray.

Nangonin’ i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT