Politique

Ho avy ny SADC Handamina ny fodian’i Dada


  • Alakamisy 08 Martsa 2012

Mazoto tonga eto Madagasikara indray ireo fikambanana iraisam-pirenena isan-karazany.

 Herinandro no hitoetra eto ny iraky ny OIF tarihan’i Edem Kodjo. Fanampiana ny Malagasy amin’ny fanomanana fifidianana no anton-dian’izy ireo amin’izany ary dia nihaona tamin’ny mpitondra sy ireo vondron-kery politika eto izy ireo. Fantatra koa izao fa ny alahady 11 martsa ho avy izao no ho tonga eto Madagasikara ny andiany voalohany amin’ny delegasionin’ny SADC, ka ahitana manampahaizana manokana momba ny lalàna izy io. Handinika ny momba ilay volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka miaraka amin’ny governemantan’ny tetezamita sy ireo ankolafy politika no aton-dian’izy ireo.

Manoloana ny fifandirana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany momba ity famotsoran-keloka ity mantsy, dia tsy maintsy miditra an-tsehatra indray ny mpanelanelana, dia ny SADC izany, satria izay no voasoratra ao amin’ny tondrozotra. Ny talata 13 martsa kosa no ho avy i Marius Fransman, minisitra lefitra afrikanina tatsimo momba ny fiaraha-miasa, sady mitarika ny iraky ny Troikan’ny SADC amin’ny asa fanelanelanana ataony eto Madagasikara. Tsy maintsy hisy ny fihaonana iray lehibe, amin’io talata io, ka ho hita ao daholo indray ireo rehetra nanasonia ny tondrozotra. Araka ny tsiliantsofina re dia hodinihina ao ny famotsoran-keloka sy ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Efa maro be ny fanehoan-kevitra nivoaka teto. Tsy mbola nilaza mazava ny heviny kosa anefa ny SADC.

Amin’io herinandro ambony io izany no hahafantarana, indray ny tena marina taorian’ny tsy nahatrarana ilay fe-potoana 29 febroary 2012. Araka ny efa notaterina teto, omaly moa dia toa ankolafy roa sisa no tena seriny amin’ny fampiharana ny tondrozotra, ka ho hita eo raha hanova ny fomba fiasa sy ny fampiharana azy izany na tsia. Mandeha ihany koa ny resaka fa tsy maintsy hisy ihany ilay fihaonana an-tampony eo amin’ireo filoha efatra mirahalahy, avy eo miaraka amin’ny hery velona sy ny vondrona politika ary ny fiarahamonim-pirenena. Mazava mantsy ny resaka izao, fa na dia atao aza hoe tsy mikatso ny tondrozotra, dia tsy mandroso ihany koa anefa, noho izany misy ny olana tsy maintsy vahana haingana mba tsy hampitarazoka ny tetezamita ka hampitombo hatrany ny fahasahiranan’ny vahoaka.

RTT

Sary : Ho avy indray ny iraky ny SADC tarihin’i Marius Fransman (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT