Mbola amin`ny 27 novambra izao ny fifidianana kaominaly sy monisipaly, nefa mandeha sahady ny fampielezan-kevitra ataon`ny antoko sasany sy ny fitondrana.
Hazakazaka mialoha ny fotoana. Misy tsy mahandry tantana. Araka ny lalàna manan-kery eto, ny 06 novambra no hanombohan`ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana ben`ny tanàna saingy tsy misy mahandry intsony. Efa mandeha ny fampielezan-kevitra ataon`ireo olona hilatsaka. Ny fifanenjehana eo anivon`ny facebook ataon`ireo kandidà moa tsy tenenina intsony Tsy ambakan`io ihany koa ny eo anivon`ny fitondram-panjakana. Pi-maso tsy misy mihoatra ireny natao tany Fianarantsoa ny sabotsy lasa teo. Mandrapahoviana no tapitra ny propagandy ataon`ny filoha Rajoelina ? Tsy efa vita ve ny fifidianana Filoha ? Manana filoha tokana tokoa ve ny Malagasy ? Ravahana volomboasary avokoa ireo toerana lalovan`ny filoha Rajoelina, hatramin`ireo fanomezana toy ny fonon`ireo zezika nomena ireo tantsaha tany Ambalavao. Mazava ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-49 izay milaza hoe: “Ny asan`ny filohan` ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin`ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana”. Ny filoham-pirenena dia andrim-panjakana fa tsy manana loko volomboasary. Tafiditra ao anaty propagandy tanteraka ny fitondram-panjakana. Ho avy ny fifidianana kaominaly sy monisipaly dia izao indray fa niverina ny “tsena mora”. Tsiahivina fa tao anaty propagandin`ny kandidà Rajoelina no nisian`ny tsena mora saingy rehefa vita ny fifidianana, dia nanjavona. Handeha indray ny fifidianana monisipaly dia izao mivoaka indray ny “Tsena Mora” Ara-dalàna sy ara-drariny ve izany ? Raha miteny hoe voararan`ny lalàmpanorenana kanefa minia mandika ny filoham-pirenena dia mampieritreritra hatrany ny hoe sao misy manipy hoditr’akondro ny Filoha ? Pi-maso tsy mihoatra izany. Manambitamby sy mampanantena ny vahoaka izay efa tena miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tahaka izao. Hanairana ny sain`ny mpanao lalàna ny famaritana izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.