Politique

Ho 4Mi mianakavy eto !


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2011

Mitamberina amin’ny zava-nitranga telo taona lasa ny saina aman’eritreritra ry Jean mahita ity Afrobasket Men tanterahina eto amintsika ity.

 Mbola tsaroako mandraka ankehitriny mantsy ny teninareo teny an-kianja nilaza fa tsy ilain’i Madagasikara izany hampiantranoana ny fihaonamben’ny tany Afrikana izany. Andiany faha-13 no tokony notanterahina teto tamin’ny jolay 2009, tsaroanao tsara. Henjana ny fandresen-dahatra nataon’i Dada tamin’ireo filoham-pirenena hafa, vao nahazo izany saingy dia nanaovanareo didin’ny be sandry dia rava teo ny nofinofin’ny Malagasy. Ankehitriny indray dia kinga be ianareo ry Jean nilaza tany Antsiranana fa dia lalana mankany amin’ny fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena ny fampiantranoana ity Afrobasket Men ity.

Hay ve ilaina indray le izy e ! Manao ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ianareo, ka moramora ery ny filazanareo azy an ! Fa ity vokatra no mahazendana. Toa faha-4 tao amin’ny vondrona indray isika ry Jean. Aleo atao ho hoe voalohany e, tianareo mantsy ny voalohany, saingy indrisy fa voalohany avy any aoriana isika tao anatin’io vondrona io. Tsy hisy fahagagana koa aloha e. Vao tamin’ny tapa-bolana anie isika no nitsoaka an-daharana tatsy Seychelles e, ka hanao “miracle” eto ve ? Fa ity faha-4 lava ity no mba tsy aritro. Repoblika, faha-4, Lalaon’ny Nosy, faha-4, Afrobasket Men, mbola faha-4 tao anaty vondrona ; eran-tany, mbola ao anatin’ny 4 farany mahantra isika, ka sao dia mba ho 4Mi mianakavy eto isika ity e !

 

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT