Politique

HMF «Na inon-kidona na inon-kihatra»


  • Zoma 02 Martsa 2012

«Vonona kokoa noho ny teo aloha izahay ary tsy hitsoaka na inon-kidona na inon-kihatra».

 Nohamafisin’ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na HMF ny fahavononany, omaly, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Porofon’ny fahavononany dia hisy fotoam-pivavahana rahampitso sabotsy etsy amin’ny «gradin»-n’ny Fjkm Anosivavaka Ambohimanarina. Araka ny fanazavan’ny mpitandrina, Mickael Andriamamonjy Ravelosoa dia tsy nila naka alalana ny HMF amin’ity fotoam-bavaka ity satria fananam-piangonana manokana no nomena azy ireo hampiasainy malalaka. Hitondrana am-bavaka ny firenena no tarigetra amin’ny fotoam-bavaka amin’ny 3 martsa ity.

Vonona hiaraka hiasa amin’ireo rehetra mandala sy miady ho amin’ny fahamarinana ny HMF, hoy ny mpitandrina Roger Randriamisata. Ho an’ny HMF moa dia roa ihany no lalana hivoahana amin’izao krizy izao. Eo aloha ny fifamelana lehibe sy ny fanapahan-kevitra hamongotra hatramin’ny farany ny tsy fahamarinana ary dia vonona hanomboka izay fifamelana lehibe izay na ny “Grand pardon” izay ireto raiamandreny ara-panahy. Vonona hifanome tanana sy hitarika ny asa ho an’ny fahamarinana koa ny HMF ao anatin’ny fanajana ny soatoavina kristianina sy Malagasy, manandratra avo ny fifamelana sy ny fihavanana hiverenan’ny filaminana amin’ny lafiny rehetra. Fanompoam-pivavahana feno io rahampitso sabotsy io, araka ny fanazavana ihany ka ankoatra ny toriteny roa dia hisy koa fijoroana vavolombelona sy fanentanana samihafa. Hanomboka amin’ny 9 ora sy sasany moa ny fotoana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT