Tsimponin’ny fitondrana HVM tsikelikely ireo olona akaiky an’i Andry Rajoelina. Efa am-bolana maro i Alain Ramaroson izay niara-nanongam-panjakana taminy ny taona 2009 no migadra eny am-ponja
. Nosamborina koa i Augustin Andriamananoro, filoha lefitry ny vondrona politika MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina). Ny kolonely Lylison indray izao no manaraka, hoy ireo mpamakafaka politika. Efa ela ity manamboninahitra zandary sady loholon’i Madagasikara ity no nenjehin’ny fitondrana noho ny fanambarana ny hanaovana ny tanàna maty an’Antananarivo ny 25 mey 2016. Nanomboka teo izy no tsy hita noho ny fanenjehana azy, kanefa ny volana septambra vao tena nisy ny didy fampisamborana ofisialy navoakan’ny fitsarana. Toa fampitahorana azy tsy hanao na inona na inona ka hiery no nataon’ny fitondrana fa tsy tena fisamborana avy hatrany aloha, toy izay natao an’i Augustin Andriamananoro ihany. Maro tokoa mantsy no nahita ity farany mbola nivezivezy teto Antananarivo tsy nanana ahiahy akory amin’izay ho fisamborana azy na dia nisy aza ilay fanenjehana teny amin’ny haino aman-jery Viva Ambodivona ny 22 septambra. Nihevitra ny tenany fa efa nilamina ny raharaha ary navelan’ny mpitondra hiriaria kinanjo iny tratry ny sambo-dokatra tsy nisy nialana iny. Mety ho toy izany ihany koa ny hanjo ny kolonely Lylison izay heverina fa tsy sarotra amin’ny fanjakana ny mamantatra ny toerana misy azy saingy mbola miandry izay fotoana mety amin’ny fanatanterahana ny fisamborana sisa ireo mpitandro ny filaminana. Toa mangina ka tsy re feo intsony. Etsy an-kilan'izay i Andry Rajoelina manoloana izao fisehoan-javatra azo hambara ho mahakasika ny fianakaviana politikany mivantana izao. Efa mandeha ny resaka fa mety hampidirina amin’izao raharaha izao ny tenany ka mety hosamborina ihany koa, ka resaka famatsiana ara-bola ireo olony tondroin’ny fitondrana ho mikononkonona fanonganam-panjakana no vesatra hanenjehana azy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.