Niato kely ny fidinana teny Anosy nataon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, tarihin’ny Profesora Zafy Albert, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity nahafahan’izy ireo nanao tombana sy nandrefy ny dingana vita taorian’ny efatra andro nisesy nivoahana ny Villa Elisabeth sy ny Magro Behoririka, nilazan’izy ireo ampahibemaso ho hita sy ren’izao tontolo izao fa mila faranana izao endri-pitondrana mampahory ny Malagasy sy manapotika ny firenena izao, hananganana ny tena tetezamita iarahana mitantana.
Hiova endrika kely ny hetsika anio mialoha ny hiverenana eny Anosy indray. Hitety ambasady vitsivitsy aloha ny Rodobe, hanatitra taratasy hampahafantarana ny zava-misy nitranga tamin’ny herinandro lasa iny, izay nampiharihary ny fanapenam-bava ireo tsy mitovy hevitra aminy ataon’izao fitondrana izao, arahin’ny fampiasan-kery amin’ny fidarofana baomba mandatsa-drano ireo vahoaka nanao fihetsiketsehana am-pilaminana narahina fisamborana olona ary koa ny tifitra nahazo ny fiara nitondra ny Profesora Zafy Albert. Nofidian’ny Rodobe manokana hanaterana io taratasy io, ny masoivohon’i Chine, Torkia ary Lafrantsa, noho izy ireo fantatra fa miara-miasa akaiky amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita ary manohana ara-pitaovana ny mpitandro ny filaminana. Fitaovana diso fiantefa, araka ny fanamarihan’ny Pr Zafy azy omaly tao amin’ny Magro Behoririka, satria raha tokony hanampiana amin’ny fiantohana fandriampahalemana any ambanivolo rehetra any dia ampiasain’ny mpitandro ny filaminana hanaovana hery famoretana amin’ireo mpiara-dia amin’ny Rodobe indray.
Nasehony imasom-bahoaka tao Behoririka io omaly io ireo sisam-pitaovana nitifirana ny fiarany, sy nanaparitahana ireo mpanara-dia azy, ho porofo fa heloka bevava no nataon’ny mpanatanteraka sy mpaniraka ireo izay nahavanona izany. Tsy hijanona eo fa dia hampahafantarin’ny Rodobe ireo tompon’andraikitra amin’izao fitondrana izao, ary hitetezan’izy ireo trano fonenana mihitsy, ny zava-mihatra amin’ny mpiray tanindrazana. Voatonona tao amin’ny Magro omaly ho anisan’ny hanaterana io taratasy fampahafantarana ny zava-misy sy fijoroana vavolombelona io, ny jeneraly Dolin Rasolosoa, filohan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Raharinaivo Andrianatoandro, filohan’ny Kongresy, ny jeneraly Richard Ravalomanana lehiben’ny zandary ato amin’ny Faritany Antananarivo, ary ny Lietnà-kolonely Rakotondrazaka Andry ao amin’ny Emmo-Reg. Tsy hijanona eo fa dia handefa tatitra any amin’ny Filankevitra misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny Firenena Mikambana, izay manana ny foibeny any Genève ihany koa ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana, araka ny fanazavan’ny Pr Zafy Albert. Ambohipihaonan’ny Rodobe tao Behoririka io omaly. Filohan’antoko sy mpitarika fikambanana maro no tao. Tsy arakaraka ny fisamborana sy lakrimôzena nisesy teny Anosy fa dia tonga maro koa ny Vahoaka, liana te hahalala ny votoatin’ny fanapahan-kevitry ny SADC nivory tsy ara-potoana tany Windhoek ny 20 mey teo.
Ny Pr Miandrisoa Marcel no namaky sy nanazava tamin’ny antsipirihany izany, ary namintina fa tsy misy andalan-tsoratra milaza fa nankatoavina ny sori-dalana. Na i Zafilahy Stanislas (Tiako i Madagasikara) na Rakotoamboa Jean Louis (Teza) na Rtoa Marthe (Arema) kosa dia samy nilaza fa vonona ny Ankolafy telo hiatrika ny fivoriana hatao any Gaborone amin’ny fiandohan’ny volana jona io, hitadiavana miaraka ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy ary manainga an’i Andry Rajoelina ho avy koa raha tena tia tanindrazana izy. Ny Pastera Edouard Tsarahame kosa nampitandrina manoloana ny herisetra sy antsojay atao amin’ny Profesora Zafy Albert tato ho ato. “Raiamandreny io, nahavita be teto amin’ny firenena ary tsy mikely aina hanao izay hampihavanana ny samy Malagasy ka mendrika hajaina”, hoy izy. Na teo aza izany dia nanamafy ny filoha Zafy Albert fa hijoro hatrany ary hitarika ny tolona eto an-toerana. Olona feno fahavitrihana rahateo no tazana tao Behoririka omaly. Tehaka mirefodrefotra no nasetrin’ny Vahoaka maro
Jean D.
Sary : Ireo mpitarika ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana tao amin’ny Mgaro Behoririka omaly
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.