Politique

Hita matetika eny anivon’ny fiangonana Rtoa Lalao Ravalomanana tato ho ato. Anatina fiaraha-mivavaka mazava loatra, ary mijanona ho fandraisana anjara sy fanotronana fa tsy misy fandraisam-pitenenana na koa fanambarana


  • Alatsinainy 08 Aprily 2013


 Mandritra ireny fotoana ireny ihany koa anefa no ifankahitany indray amin’ireo mpiara-miasa tamin’ny filoha Marc Ravalomanana, vadiny, fony ity farany teo amin’ny fitondrana. Zary ambohipihaonana ny fiangonana araka izany. Omaly ohatra dia zary fotoana nifankahitany indray tamin’ny praiminisitra farany tamin’ny fitondrana Ravalomanana, dia ny jeneraly Charles Rabemananjara mivady, ny fanompoam-pivavahana famaranana ny KP-83 sady fanokafana ny faha-100 taonan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara na FFPM, natao teny amin’ny FJKM Andrainarivo. Fihaonana tsy nomanina fa nifanojo ho azy, atambatry ny finoana nefa manan-danja amin’ny vanim-potoana lalovan’ny firenena toy izao. Hita soritra teny amin’ny endrik’izy ireo ny hafaliana nifankahita tava indray, tsy maty fo aman’aina. Toy izany koa ireo kristianina maro sy mpiara-miasa taloha izay nirohotra niarahaba sy nankahery an-dRtoa Lalao Ravalomanana. Raharahan’ny samy protestanta ity teny Andrainarivo omaly ity. Marihina fa mitana andraikitra lehibe eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM Atoa Marc Ravalomanana, satria dia filoha lefitra izy, ary mbola nohamafisin’ny mpizaika ho eo amin’izany toerana izany indray nandritra ny sinaoda lehibe natao tany Manakara tamin’ny taon-dasa. Niteraka fahabangana lehibe ho an’ny FJKM araka izany ny tsy maha eto an-toerana azy, noho ny antony politika ka maha sesitany azy any Afrika Atsimo hatramin’ny 2009. Nanamafy izany ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, filohan’ny FJKM, omaly teny Andrainarivo saingy mino sy matoky fa ho avy tsy ho ela Atoa Marc Ravalomanana.

Fanokafana radio

Niara-nitarika ny fotoana omaly ity ny mpitandrina Rasendrahasina Lala Haja, filohan’ny FJKM sady filoha FFPM sy ny Pastora Rakoto Endor Modeste filohan’ny FLM sady filoha mpamampy FFPM, notronin’ny avy amin’ny FFKM. Raha ny fandaharam-potoana dia amin’ny 13 oktobra 2013 no ivon’ny fankalazana ny taonjobily sady hanokafana radio protestanta harahin’ny fanotana ny boky fihirana voalohany nisy fanitsiana. Mialoha izay, amin’ny volana mey 2013, dia hanao zaikabe any Mahajanga ny “aumonerie universitaire”. Hivelatra any amin’ny faritany ny fankalazana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 21 may 2014, hanamafisana ny firaisan’ny fiangonana protestanta.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT