Famotsoran-keloka ho fampihavanam-pirenena no tokony hisy fa tsy hikendry olona havahana, hoy ny filohan'ny Kongresin'ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly taorian’ny fanokafana ofisialy ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 ity rafitra mpanao lalŕna ity.
Ho hita eo izay tena vonona hifampihavana, hoy ny nambarany. Mitaky fahatsoram-po sy fahavononana amin-kitsim-po mantsy ny fandinihana sy fandaniana ity lalànan'ny famotsoran-keloka ity, hoy izy, mba tsy hisian'ny fanilikilihana fa samy hahazo izany avy ireo tokony homena izany. Raha sanatria misy tsy fahavononan’ny sasany, hoy izy, dia hiala amin’ny tetezamita izahay satria midika ho tsy fampiharana ny tondrozotra izany. Nohitrikitrihan’ity filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ity ihany koa ny tokony hampiharana ny andininy faha-16 amin’ny tsy tokony hanenjehana intsony ny mpanohitra eto amintsika.
Eny amin'ny Parlemanta izany izao sisa no tompon'ny teny farany amin'ity resaka amnistia ity ka ho hita eo izay mety ho fandehany. Raha ny resaka fifidianana indray dia nanana ny fomba fijeriny ihany koa i Mamy Rakotoarivelo, izay lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana, ka nanambarany fa ny resaka filoha hitantana ny firenena no nampisy olana teto. Samy mifaninana maneho izay fitiavan'ny vahoaka azy na ny filoha Marc Ravalomanana na ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina ka ny tsara, hoy i Mamy Rakotoarivelo dia miroso amin'ny fifidianana filoham-pirenena aloha vao miroso amin'ny zavatra hafa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.