Nisy ny resaka natao teny an-dalambe rehetra tao Toamasina tamina karazan’olona maro, na ireo fantatra aza fa isany nandray anjara goavana tamin’ny fametrahana ilay “fanovana” teto amin’ny firenena ny taona 2009, mikasika ny fahitan’izy ireo ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Iray feo izy rehetra ireo ka sahy nilaza mihintsy fa “mizaka ny vokatry ny nataony ny fitondrana FAT ankehitriny. Raha fanovana amin’ny fomba fitantanana ny firenena no nampanantenaina, dia halatra be vava sy ny fanodikodinam-bolam-panjakana ary fanangonan-karena no nataon’izy mianakavy”. Ny an’ity mpitsabo iray nanontaniana izay mahita ny fahoriam-bahoaka mandalo eo aminy amin’ny tsy fahafahana mitsabo tena ara-dalana intsony, dia nivantana sy nahitsy ny teniny : “sao hanody anareo izao fampijalianareo ny vahoaka malagasy izao. Endrik’Andriamanitra sy feon’Andriamanitra ny vahoaka, ka tsinjovy ihany ny ampitso ! Manana ny finoany manokana ny Malagasy ka sao tsy ho zakanareo ny tsiny sy ny tody hihatra aminareo ireo”. Nanafatra ihany koa anefa izy ka nanambara fa “jereo tsara ireo mpampahory antsika vahoaka ireo, ka ampiharo aminy ny fahefana ananantsika amin’ny fotoana hahafahantsika miteny sy manambara ny fahefantsika rehetra”.
Ho an’ireto mpitondra posy bisikileta ireto kosa, izay latsaka hatramin’ny ranomasony ny iray nefa tsy nanaiky ny hakana sariny sy hanononana ny anarany noho ny tahotry ny antsonjay atao aminy, dia nilaza fa “izao sisa ny momba anay, enjehina etsy anaovana antsojay eroa, tsy fidiny anay ny hitondra posy toy izao nefa noho ny vady aman-janaka tsy maintsy mihinana sy ny mianatra dia ity aloha no azo atao. Niasa ihany izahay teo aloha fa rava ny fanantenana noho ny fikatonan’ny asa natao, ireo asa an-tselika hafa fanampiana ny tao an-trano koa tsy misy noho ny ankamaroan’ny olona tsy manam-bola”. Niara-nilaza ireo nanontaniana rehetra ireo fa fiatombohan’ny tsy fahazakan’ny vahoaka ny manjo azy izao zava-misy izao, koa raha tsy mamaha haingana ny olana ny FAT dia hihatra aminy ny nataony telo taona lasa izay. Efa tsy zakan’ny maro an’isa intsony ny fahoriana na malaza ho olona mahazaka maharary ny Malagasy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.