Politique

Hetsiky ny Rodobe Toamasina Mitaky ny hialan’ny minisitry ny fitsarana


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Mitohy teo an-tokotanin´ny Magro Tanambao V ny hetsiky ny Rodoben´ny Malagasy Toamasina ny sabotsy 17 desambra teo.

 Nandritra izany no nilazan-dRtoa Masahy Chantal fa “tokony hametra-pialana na esorina mihitsy, ny minisitry ny fitsarana ankehitriny satria avy aminy avokoa ny sakana tsy anatanterahan´ny FAT ny tondrozotra, sakana amin’ny famoahana ireo gadra politika sy ny fodian’ireo sesi-tany politika”. Dia mbola namoahana NOTAM vaovao indray hanakanana ny fodian´ny filoha Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy ao Afrika Atsimo. Nambaran´ny CT Justin nandritra izany fa tsy azo ekena izao toe-javatra ataon´ny FAT izao, hafa ny ambara nefa zavatra hafa no atao.

Miady mafy ny ankolafy Ravalomanana sy ny Monima izao, ka raha minia manao be marerina mikasika ny fitakiana ny FAT dia hisy ny fepetra horaisinay ao anaty governemanta sy anaty Parlemanta. Ireo Malagasy niatrika ity hetsiky ny rodobe tao Toamasina ity kosa dia nazava ny tenin´izy ireo fa misafidy ny FAT na hamoaka ny gadra politika rehetra tsy anavahana sy hampody ireo sesitany politika na izy mihitsy no halana eo fa manao mpitari-bato vilam-bava no manabotry firenena ary mampahantra ny Malagasy. Ny sabotsy izao, araka ny fandaharam-potoana, dia tsy hisy ny hetsika noho ny krismasy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT