Politique

Hetsiky ny Rodobe Hangotraka tanteraka Antsirabe


  • Zoma 16 Septambra 2011

Anjaran’ny ireo olo-maventy ao amin’ny Magro Antsirabe indray ny hitarika ny hetsika rahampitso sabotsy ka mivonona ny amin’izany ny Rodobe Antsirabe, tarihin’Atoa Rakotomamonjy Roland Michel sy Dr Raharijaona.

 Raha ny fandaharam-potoana dia hisy ny fanentanana samihafa ary ankoatra izay dia hisy ny fanomezam-baovao mikasika ny fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fahatongavan’ny iraky ny Troika izao. Fitarihana fotsiny moa ny an’ireto olo-maventy ireto fa handray anjara feno tanteraka amin’ity hetsika ity avokoa ireo vondrona sy fikambanana samihafa mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana.

Raha mahakasika ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana moa dia nambaran’ireto mpitarika ireto fa amin’izy ireo dia ny FAT no misafidy handatsaka ny firenena ao anatin’ny kirizy lalina amin’izao fotoana ka tsy manaiky sori-dalana omen’ny mpanelanelana iraisam-pirenena. Amin’izy ireo dia tompon’antoka tanteraka amin’izao krizy lalina lalovan’ny firenena izao ireo mpitondra amin’izao fotoana ka tsy tokony hailika amin-dRavalomanana any andafy ny tsy fahombiazany. Rahampitso sabotsy izy ireo no hanazava misimisy kokoa ny fahitany ny raharaham-pirenena, mandritra ny fihaoanana ao Avaratsena.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT