Politique

Hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hala-bato Mampiomana ny vahoakan’Antananarivo


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana avoakan’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana isika izao, hoy ny mpitari-tolona eo anivon’ny hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny hala-bato sy hoso-pifidianana na MCFIE,

 

 Henry Rakotomalala na Riribe. Manamafy izahay fa raha voka-pifidianana mampandany kandida amin’ny hala-bato no mivoaka eto Antananarivo dia mazava ho azy fa tsy hanaiky izany izahay.  Hanohy ny tolona amin’ny ady amin’ny tsy fahamarinana izahay ary hanomananay sahady ny fo sy ny sain’ny vahoakan’Antananarivo izany fa raha valim-pitsarana miangatra toy ny navoakan’ny HCC ka hampandany kandidam-panjakana no mivoaka eo dia miala tsiny izahay fa tsy maintsy hanohy ny tolona hatramin’ny farany ary efa tenin’ny kandida Rina Randriamasinoro fa vonona izy . Vonona koa izahay manotrona azy, noho izany, hoy ity mpitari-tolona ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT