Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana avoakan’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana isika izao, hoy ny mpitari-tolonaeo anivon’ny hetsiky ny olom-pirenena miady amin’ny
hala-bato sy hoso-pifidianana na MCFIE, Henry Rakotomalala na Riribe. Efa voarain’io tribonaly io ny fangatahan’ny vahoaka ny amin’ny hanaovana fampitahana ireo lisi-pifidianana vita sonia ka dia miandry ny fanapahan-kevitra mikasika an’izay koa isika. Mino izahay fa olon-kendry ny mpitsara, hoy ny MCFIE. Manamafy izahay fa raha voka-pifidianana mampandany kandida amin’ny hala-bato no mivoaka eto Antananarivo dia mazava ho azy fa tsy hanaiky izany izahay ary hanohy ny tolona amin’ny ady amin’ny tsy fahamarinana ary hanomananay sahady ny fo sy ny sain’ny vahoakan’Antananarivo izany fa raha valim-pitsarana miangatra toy ny navoakan’ny HCC ka hampandany kandidam-panjakana no mivoaka eo dia miala tsiny izahay fa tsy maintsy hanohy ny tolona hatramin’ny farany ary efa tenin’ny kandida Rina Randriamasinoro fa vonona izy ka vonona koa izahay manotrona azy, noho izany, hoy ity mpitari-tolona ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.