Politique

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Vonona hifamela amin’ireo nisetrasetra taminy


  • Talata 21 Mey 2013

Nitsingerina ny 20 mey teo ny fahatelo taonan’ny raharaha FIGN izay namoizana aina miaramila, sivily ary mpitandrina HMF ary nanaovana hazalambo ireo ambiny.

 Teo koa ny nisamborana ka nampidirana am-ponja ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana folo mianadahy sy nanakatonan’ny FAT ity radion’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity, izay tsy mbola mivoha mandraka ankehitriny. Notsiahivina ary nentina am-bavaka tetsy Antsahamanitra izany ny sabotsy atoandro teo. Nandritra izany no nilazan’ny mpitandrina Randriamisata Roger, fa tsy famohazana na fitehirizana alahelo sanatria no nampahatsiahivana indray ireny fa entina manambara fa : “tsy raharahan’ny matahotra na ny vonon-kiadana” ny fijoroana amin’ny fahamarinana. Naverina sy nohamafisina indray fa vonona hifamela amin’ireo nisetrasetra tamin’ny HMF izy ireo. “Irinay koa raha irinay anefa ny hibebahan’izay nanao ratsy tamin’ny Fiangonana fa hahasoa ny firenentsika izany !”, hoy ny hafatry HMF tamin’io fotoana io.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT