Politique

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana Tsy hanaiky hampihavanin’ny FFM


  • Zoma 08 Martsa 2013

“Tsy hahomby ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny fampihavanana hotanterahiny ary izahay Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay anisan’ireo nampitondrain’izao fitondrana izao faisana dia tsy hanaiky ny hampihavanin’ireo olona nanimba ny fihavanana teto ary manainga ireo manam-panahy rehetra tsy hanaiky fampihavanana sy famotsoran-keloka kitoatoa toy io hanohanana ny ezaka himasoan’ny FFKM ary hiara-mihevitra fampihavanana sy fifamelana tena izy fa tsy sarintsariny toy izao”, hoy ireo raiamandreny ara-panahy mivondrona ao amin’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana omaly raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo.

 Nambaran’ny HMF ihany fa “famitaham-bahoaka ny FFM” satria mpanao politika notafiana fiarahamonim-pirenena ireo mpikambana ao. Ho an’ny HMF manokana dia nisy ny namoy ny ainy, nogadarina, notevatevaina, nenjehina sy norahonana andro aman’alina ka nisy hatrany amin’ny 110 andro ireo raimanadreny no voatery niafina noho izany. Tsy ho vahaolana io FFM io, hoy Roger Randriamisata. Raha mbola tohizana io lalana io, hoy izy dia ho avy ny krizy vaovao aorian’ny fifidianana satria mbola mipetraka foana ny lonilony. “Ny olona maloto ve afaka manadio ny hafa ?”, hoy ihany ny HMF izay nanantitra fa tsy ny FFM mijoro amin’izao no hahavita fampihavana na famelan-keloka. Ankoatra izay dia manaitra ny sain’ny Malagasy ny HMF amin’ny fisiana tafika frantsay eto amintsika. Efa tamin’ny taona 2008 anefa no tapitra ny fiaraha-miasa ara-miaramila.

Tsotra ny tsy mampivaha ny krizy, hoy ihany ireto raiamandreny ara-panahy izay mametra-panontaniana hatrany amin’ny hoe : «mizotra mankaiza ny firenentsika ? Hoentina mankaiza izy ity ? Hita fa mivarina any an-kady ny firenena satria madi-doha tsy azo anarina ny mpamily. Mampalahelo fa manamarin-tena ary mihevi-tena ho anjely latsaka an-tany mihitsy, Hhany ka na dia efa mihoraka aza ny rehetra fa ambava loza dia tsy mihaino fa roso ihany ny dia”, hoy ihany ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana ny faharavana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’izany rehetra izany dia ilaina ny fiaraha-mivavaka, hoy ny HMF. Rahampitso sabotsy àry dia hisy fotoam-bavaka iarahana amin’ny HMF etsy Antsahamanitra manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina, hanasany ny Malagasy rehetra. Hivoaka amin’io andro io koa ny gazety kely antsoina hoe Topimaso momba ny fahamarinana amin’ny famahana ny krizy, famintinana ihany koa ny fijerin’ny HMF voadika amin’ny teny telo samihafa dia ny teny Malagasy, frantsay ary anglisy izay natokana ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT