Politique

Hetsiky Ny Mpitondra Fivavahana Manao antso fanairana


  • Alarobia 20 Febroary 2013

“Filaminana sy fitoniana ary fihavanana ve no tanjona sa fifidianana hanatanterahana kajikajy politika hampahory vahoaka indray ?”.

 Fanontaniana apetrak’ireo raiamandreny ara-pinoana ao amin’ny Hetsiky Ny Mpitondra Fivavahana io manoloana ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Mametra-panontaniana ny HMF raha toa tena fahendrena ny mifamaly faty, ka ametrahana ho eo ambanin’ny kajikajy politika ny aina sy ny fitiavan-dray aman-dreny. Manoloana izany dia manao antso fanairana ny HMF mba tsy ho resin’izany fakam-panahy ratsy izany ny manana fahefana ka hisakana na tsy hamela an-dRamatoa Lalao Ravalomanana hody hikarakara sy hiala nenina amin’ny fitsaboana ny reniny marary mafy. Tsiny sy fondro lehibe eo anatrehan’Andriamanitra no aterak’izany ary nenina tsy azo averina “koa aleo fahendrena toy izay hery”, hoy ny HMF. “Raha tena mitandro ny fihavanana sy mitady fitoniana marina isika, dia ambaranay HMF fa tena zava-doza mandrava fihavanana ny tsy mamangy raha marary sy ny tsy mandevina raha maty ary fahadisoana tsy azo averina izany”, hoy ny fanambarana. Ankoatra izay dia nasian’ny HMF resaka ihany koa ny momba ny Fampihavanana.

Andraikitra masina ny ho mpampihavana ka mila fahatsiarovan-tena ary io no foiben’ny fandaminana ny firenena, hoy izy. Araka izany dia tsy raharahan’olom-bitsy fa raharahan’ny vahoaka Malagasy manontolo io. Masina ny asa fampihavanana ka aoka tsy hovetavetaina amin’ny fitaka politika, izay efa zary lasa fiainana nandritry ny krizy, hoy ihany ny Hetsika izay milaza fa anisan’izay tsy hanaiky mihitsy ny fomba hitondrana izany fampihavanana izany ary naman’ny tsy misy izay ho vokatry ny fifidianana raha izao no fomba hananganana izany rafitra hampihavana izany. Manao antso avo amim-pahendrena ho an’izay rehetra mihevitra ny tenany fa manana andraikitra amin’ny fireneny sy ny vahoaka ny HMF mba handray andraikitra ary hamerina amin’ny vahoaka sy ny olo-marina sy izay tena vonona hijoro ho raiamandreny tokoa, toy ny FFKM, ny fikarakarana izany fa tsy avela hoviraviraina tetika maloto politika ny fampihavanana ny firenena. Raha tsy izany manko dia ambaran’ireto raiamandreny ireto hatrany fa dia mbola azo antoka fa hiverina amin’ny fomba mahery vaika kokoa ny krizy.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT