Politique

Hetsiky ny mpitondra fivavahana Manahy ny hisian’ny ady an-trano


  • Talata 29 Mey 2012

Maneho ny ahiahiny ary milaza ho tena tsy tafandrimandry ireo Fivavahana mivondrona ato amin’ny HMF manoloana ny fijalian’ny vahoaka Malagasy, noho ny fahitana ny lalana izoran’ny firenena mankany amin’ny fahasimbana sy ny fahapotehan’izay kely sisa mbola ananana.

 Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo milaza ny tsy fankasitrahana ny fampahoriana sy ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka, noho izay mety ho tombontsoa arovan’ny Mpitondra. “Melohinay sy toherinay amin’ny fanahinay rehetra ny fampiasan-kery sy ny fitondrana fitaovam-piadiana mahery vaika hamoretana ny vahoaka ary mainka loza ny fampirisihana sy ny fanambazana vola kely ireo mpiray tanindrazana mba hitora-bato ny olona nanao fihetsiketsehana ; ho pitik’afo sanatria hitondra mankany amin’ny ady an-trano izany koa manainga ny manam-panahy rehetra hanameloka izany fomba mamoafady izany”, hoy ny HMf.

Mampahery ny rehetra izy ireo mba tsy ho kivy na hitanondrika fa hanana fanantenana mandrakariva. “Vahoaka mino an’Andriamanitra isika ary izany no tena mampiavaka antsika amin’ny hafa ka mahatonga antsika tsy hiraviravy tanana, manoloana ny fangejana”, hoy ny HMF. Notsiahivin’ity farany fa fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny fahafahana, koa tsy azo ariana foana amin’ny fiarovan-tombontsoa ho an’olom-bitsy. “Miombona amin’izay mitaky ny hiverenan’ny fahafahana eto amin’ny tanintsika sady mampahery ny rehetra tsy hilavo lefona manoloana ny fitakiana, fa hanao izany am-pahamarinana homban’ny finoana an’Andriamanitra”, hoy ireo Mpitondra Fivavahana.

Ny tsy fahamarinana no mampietry ny firenena toy izao, hoy izy ireo. “Efa tsinjonay hatrany am-boalohan’izao krizy izao izany ka nahatonga anay nitaky tsy nitsahatra ny hisian’ny fahamarinana eto amin’ny firenena”. Hita tokoa manko fa manjaka ny tsy fahamarinana amin’ny endriny rehetra, hoy hatrany ny HMF, toy ny tsy fihazonana ny teny nomena, fandrobana harem-pirenena, fitanilana eo amin’ny fanomezana tombontsoa ho an’ny Mpiasam-panjakana, fanaovana ho fitaovana politika ny fitsarana, fakana an-keriny ny fananam-piangonana, fampanantenana tsy notanterahina ka mahatonga ireo hetsika Sendikaly maro samihafa. “Mankasitraka ireo rehetra efa nahatsapa izahay fa “ny fahamarinana no manandratra ny firenena” ary mampahery ny Mpiray tanindrazana rehetra hampijoro izany ary tsy hitsahatra mandra-piposak’izany eto amin’ny tanintsika”.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT