Nanambara ampahibemaso ny fanohanany ny kandida Robinson Jean Louis sy hanao ny asa rehetra ampahamarinana hampandany ity kandida ity ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana mba hamadihana ny pejy maintin’ny tantaram-pirenena.
Tsy hafa fa tohin’ny fitakiana ny fialan’ireo mpitondra ny tetezamita mampanjaka ny tsy fahamarinana teto amin’ny firenena no antony, hoy izy ireo tamin’ny fanambarana nataony omaly. Notsiahivin’ny HMF ao anatin’ny fanambarany fa dia mpanolotsain’ny minisitra iray ny filohan’ny CENI-T koa takian’izy ireo ny hametrahan’ity farany fialana rehefa nirotsaka kandida hofidiana io minisitra akaiky azy io, hitandroana ny tsy fitanilana. Naneho ny ahiahiny ny HMF ary nilaza fa dia hijoro hiaro ny safidim-bahoaka raha mitranga ny tsy rariny. Nanambara ihany koa ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana fa dia vaindohan-draharaha tsy maintsy himasoana ny fampihavanam-pirenena aorian’ny fifidianana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.