Roa ihany no lalana hivoahana amin’izao krizy izao, raha ny fahitan’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny fiainam-pirenena.
Eo aloha ny fifamelana lehibe sy ny fanapahan-kevitra hamongotra hatramin’ny farany ny tsy fahamarinana. Vonona hanomboka izay fifamelana lehibe na ny ‘grand pardon’ izay ireto raiamandreny ara-panahy, araka ny fanazavana. Raha ny fahitan’izy ireo azy mantsy, dia efa tena rovitra ny lamba hirakofantsika eto Madagasikara. Elaela no tsy nandrenesana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na ny HMF, saingy niasa mandrakariva izy ireo, raha ny fanazavana ihany. Manomboka izao kosa anefa dia tapa-kevitra bebe kokoa noho ny teo aloha izy ireo, amin’ny fitarihana hampijoro ny fahamarinana sy hamongotra hatramin’ny fakany ny tsy fahamarinana. Marary ny firenena, hoy ny mpitandrina Randriamisata Roger ka tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra izahay ka tsy tafandrimandry, na ara-politika, na ara-toekarena na ara-tsosialy dia ahitana izay tsy fahamarinana izay. Ampahany tamin’izany ny tsy azo hanekena ny fitaran’ny tetezamita izay handray 4 taona ato ho ato, kanefa tsy olom-boafidy. « Ampy izay no nitondrany raha tena tetezamita tokoa.
Tsy nisy nametraka azy ireo teo, safidiny ny nanongana », hoy ny HMF. Tsy fahamarinana hita eto amintsika koa ny fandrobana ny harem-pirenena, ny volam-panjakana, ny tsy famelana hiteny ary dia milaza fa vavolombelon’ny fisian’ny famoretana tamin’ny alalan’ny fandrarana ny fanompoam-pivavahana an-kalamanjana ny HMF. Ankoatra izay dia nokianin’ireto mpitondra fivavahana ireto ihany koa ny fahantrana sy ny fidangan’ny vidim-piainana na dia teo aza ny fampanantenana natao. Raha tany amin’ny 8% ny harin-karena ary niditra an-tsekoly ny 80%-n’ny ankizy Malagasy tamin’ny taona 2008, amin’izao kosa, hoy ny HMF dia niiba 0,76% ny harikarena ary 45% sisa ny zaza Malagasy afaka mianatra.
Ampahany ihany ireo, araka ny fanazavana. Manoloana ireo dia miantso ireo sahy mijoro amin’ny fahamarinana ny Hmf hijoro hatramin’ny farany. Mampirisika sy mampahery ireo efa mijoro sy izay mitaky ny hisian’ny fahamarinana koa izy ireo mba hivondrona sy hiara-kiasa hanavotana ny firenena. Vonona hifanome tanana sy hitarika ny asa ho an’ny fahamarinana koa ny Hmf ao anatin’ny fanajana ny soatoavina kristianina sy Malagasy, manandratra avo ny fifamelana sy ny fihavanana hiverenan’ny filaminana amin’ny lafiny rehetra. Fantatra ary fa ny sabotsy 3 martsa ho avy izao dia hisy fanompoam-pivavahana lehibe hotarihin’ny HMF hitondrana am-bavaka ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Na dia sarotra aza ny fitadiavana toerana ho amin’izany, araka ny fanazavana, dia tsy maintsy ho tontosa io fotoana io, na inona na inona hitranga.
Légende : ireo mpitarika ny HMF niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.