Politique

Hetsiky ny Mpiasam-panjakana Efa tongotra mby an-dakana izy ity


  • Alakamisy 05 Jolay 2012

Niditra tamin’ny andro faharoa omaly ny hetsiky ny mpiasam-panjakana teo amin’ny «rue de la liberté» Anosy, ho fanamasahana ny fitokonambe hataon’izy ireo amin’ny 11 jolay ho avy izao.

 Taorian’ny «Cellule de crise interministérielle» dia tonga nanatevin-daharana ny SEMPAMA teo Anosy omaly, ny avy eo anivon’ny Banky foibe, notarihin’i Aina Razafindrakoto, Sekretera jeneralin’ny sendikan’ny mpiasa sy Franck Rakotoniaina, tonga koa ny avy amin’ny Mpampianatra mpikaroka, nahitana an-dry Rakotomanga Adolphe mbamin-dry Rafalimanana Alexis. Fanehoana firaisankina ny azy ireo, satria zava-dehibe loatra eto amin’ny firenena ny fanabeazana, ary efa ela rahateo ny SEMPAMA no nanomboka fitakiana. Etsy ankilany, dia samy voafitaky ny FAT avokoa ireo sendika ireo, satria samy nampanantenaina vahaolana tamin’izay notakiana avy nefa hatramin’izao dia tsy misy tanteraka. Samy natao anjorom-bala ihany koa, ary tsy henoina rehefa miteny satria tsy herim-pamoretana fa herim-pamokarana. Koa tapa-kevitra ankehitriny fa hanambatra ny fitakiana ireto sendika ireto satria samy resy lahatra fa ny firaisankina tokoa no hery, ary tsy misy hialana amin’izao fahantrana mihoapampana mahazo ny firenena izao raha tsy miara-dia.

Ny solontenan’ny Banky Foibe moa dia nampahatsiahy indray fa betsaka loatra ny tsy ara-dalàna amin’ny fitantanam-bolam-panjakana. Betsaka loatra koa ny fampitahorana mahazo ny herim-pamokarana izay mba mitsangana hiteny ny tsy rariny. Iza anefa, hoy izy, no ho voa amin’izany atsy ho atsy raha tsy isika Malagasy rehetra ihany. Koa rariny sy ara-dalàna tanteraka izao hetsika izao, hoy izy ireo. Afaka miara-dia rahateo ny sendika rehetra satria misy lalàna iraisam-pirenena mifehy ny sendika. Mitohy, araka izany, ny hetsika itambarana ataon’izy ireo ary efa tongotra mby an-dakana izy ity. Misy rahateo ny antso nataon’izy ireo ny alatsinainy 02 jolay teo, hisian’ny fiaraha-mientan’ny mpiasa rehetra amin’ny 11 jolay, hialana amin’ny fitongilanana manoloana amin’ny samy mpiasam-panjakana.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT