Politique

Hetsiky ny mpanohitra Nolavina ny fangatahana fampiatoana didy


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Nolavin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana etsy

Anosy omaly ny fangatahana ny fampiatoana ny didy navoakan’ny prefektioran’Antananarivo izay napetraky ny vovonana Herin’ny Fanovana ny talata teo. Ny andininy faha-16 ao amin’ny lalàna izay nivoaka ny taona 2001 manambara fa tsy manana zo hitondra raharaha mikasika fangatahana fampiatoana tahaka itony eny amin’ny fitsarana ny fikambanana tsy mijoro ara-dalàna tahaka ny Dinika ho amin’ny fanavotam-pirenena sy ny Herin’ny fanovana. Ny fanapahana laharana 060-63 izay mikasika ny fikambanana mijoro ara-dalàna kosa no azo ampiharina raha toa ka tiana ny hiverina hanao fangatahana. Nanambara moa ny filohan’ny DFP, Tolojanahary Maharavo na i Doudou fa amin’ny alatsinainy izao indray no hapetrak’izy ireo amina anaran’antoko politika ny fangatahana vaovao.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT