Politique

Hetsiky ny mpanohitra Niatrana am-bava basy ny fanjakana


  • Alatsinainy 30 Desambra 2019

Tamin’ny 11ora teo no tonga tetsy amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandida Rina Randriamasinoro sy ny delegasionina niaraka taminy ny sabotsy lasa teo,

 

 nanatitra ny fanampin’ny porofo tamin’ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana. Izaho tena hijoro hatramin’ny farany. Efa tamin’ny 10 ora latsaka kosa no tonga teny an-toerana ireo olona mpanara-dia, raha toa ka vao maraina dia efa niatrana am-bava basy ny mpitandro filaminana. Iza no andrasantsika hijoro amin’ny fahamarinana eto amin’ity firenena ity raha ohatra ka misy zavatra ohatr’izao hoe ianao mijoro dia misy manakana, dia hiraviravy tànana foana. Tsy maintsy olona mijoro ary izaho hijoro hatramin’ny farany manoloana ny zava-misy rehetra. Betsaka ny porofo efa any ary efa nisy ny fitoriana maro be natao fa mbola nisy ny fanampiny naterina farany, hoy ny fanazavany teo am-pahatongavana. Delegasionina 5 monja no afaka niditra nanatitra ny dosie, ka ny 3 tena afaka nitsofoka tao amin’ny birao nanatitra ny dosie. Tsy navela niditra ny mpanao gazety. Ny vahoaka tsy nisy afaka niditra taty amin’ny faritry ny tribonaly satria mpitandro filaminana zavon-tany mirongo basy no nahetsiky ny fanjakana. Tahaka ireny any amin’ny tany miady ireny ny sary navoakan’ny zava-misy tamin’ny sabotsy teo.

TSY NAVELA NIRESAKA TAMIN’NY MPANAO GAZETY SY NY OLONA MPANOTRONA…

Tsy navela nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety sy niresaka tamin’ny vahoaka nanotrona izy ireo taorian’ny fametrahana ny dosie. Tafaporitsaka ihany anefa i Rina Randriamasinoro ka afaka nitafa fohy nisaotra ny vahoaka tonga nanatrika azy, izay tsy navela niditra akory taty anoloan’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana.  Fametrahana dosie ve no andraisana izao “dispositif” be izao, saingy isika tsy mihemotra hatramin’ny farany, hoy ity kandida ity. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hamoaka ny fahamarinana. Hanatitra porofo sy fitoriana no anton-dia kanefa izao ny sakana. Tsy atao mampaninona izany fa isika kosa tsy hijanona raha tsy hivoaka ny fahamarinana, hoy ity kandida ity. Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ny tohiny fa manasa antsika hiandry ny toromarika, hoy izy.

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT