Politique

Hetsiky ny mpanohitra Ho avy ny fisamborana


  • Talata 22 Aogositra 2017

Hentitra ny avy ao amin’ny prefektioran’Antananarivo renivohitra fa tsy mahazo manao ilay fihetsiketsehana nokasaina hotanterahana ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny Herin’ny Fanovana tarihan’i Doudou satria ahiana hiitatra amina fidinana an-dalambe izany;

tsy azo atao ihany koa ny manao fihetsiketsehana anaty trano sy ankalamanjana eto Antananarivo renivohitra.Tsy misy ny indra-fo fa hisambotra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha misy tsy manaja izao fepetra sy toromarika izao.Tena hentitra ny tenin’ny prefen’Antananarivo omaly.Manoloana izany , manizingizina ry zareo ao amin’ny Herin’ny Fanovana fa tsy maintsy tanterahana ny hetsika, ka anio amin’ny 8 ora sy sasany maraina dia ho avy eo amin’ny varavaran’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana etsy Anosy izy ireo hametraka fangatahana fampiatoana ilay didy navoakan’ny prefektiora; tahaka ny nataon’ny TIM tamin’ilay resaka Zumba ka inoanay fa hahazo rariny izahay hoy i Tolojanahary Maharavo na i Doudou ka afaka hiditra ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.

Manao antso avo

Etsy ankilan’izay dia miaina tanteraka ao anatin’ny fahantrana sy tsy fandriampahalemana ny Malagasy, nahoana ny olona no tsy mijoro sy mihetsika, hoy i Mamy Souali, Sekretera jeneralin’ny Vovonana iraisan’ny fikambanan’ny Silamo (Communauté inter-musulman), sady mpikamban’ny vovonana politika Herin’ny Fanovana (Force de changement). Efa feno tanteraka ny fepetra tokony hanalana ny mpitondra. Marefo ny fanjakana izay porofoiny amin’ny fihetsiny. Olona handeha hanao “zumba” sy hankalazana ny tsingerin-taonan’ny antoko, dia efa atahorana hanongana, hoy hatrany i Mamy Souali. Tenenina foana ny mahandrasa ny 2018.Mila miova ny rafitra politika na ekonomika sy ny lalàna eto, fa tsy io no tokony hoentina amin’ny 2018, ka miantso ireo kandida amin’ny 2018, toa an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina hanova izany izy ireo. Andao ampio izahay ato amin’ny Herin’ny fanovana, andao isika hanala ity fanjakana efa tsy manjary ity, hoy ny antson’i Mamy Souali miantefa amin’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT